ven.
10
déc.
2010
Dia vaka ny saina ary reraka ny aina niezaka nanakatra izay tena tian’ireo mpitondra atao amin’ity Gasikara mamintsika ity. Tsy hay intsony izay tena marina ary sarotra ny maminavina ny ho avy. Izany tokoa ve no atao hoe politika? Mahafanina, mahavalalanina, mahaketraka ary tena mahakivy tokoa. Mbetika izao no voalaza avy eo miova indray. Dradradradraina fa izao no atao. Tampotampoka eo anefa, tsitapitapitr’izay akory dia miova an’izao. Fa tsy efa nodradradradraina hatry ny ela ve fa tsy hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena mihitsy Ingahy Andry Rajoelina fa hamita ny tetezamita fotsiny ka hampita ity firenena ity avy ato anatin’izao krizy izao ho any amin’ny Repoblika Fahefatra e? Tsy tahotra tsy henatra anefa izy raha nivahiny teo amin’ny France Télévisions fa tsy mbola nandray fanapahan-kevitra hentitra akory izy mahakasika izany fa raha te hirotsaka izy dia tsy tokony hisy hahasakana azy akory. Marina izany, tsy hisy hahasakana azy intsony tokoa, fa na ilay lalaàm-panorenana vaovao izay nambarany fa nanehoan’ny vahoaka ny safidiny ange ka efa nametra fa afaka mirotsaka hofidiana ho filoha ireo tanora mihoatra ny 35 taona e ! Raha tsy diso aho dia efa tafahoatra an’izany ny filohan’ny FAT amin’izay vavinandro hanaovana ny fifidianana (na amin’ny taona 2011, mainka raha hivadika any amin’ny taona 2012)...............
Fa tsy mbola tena mazava aminay aty andilambato aty ihany koa ny mahakasika iny fifidianana iny. Ny vokapifidianana aloha dia efa nazava sady efa hay hatry ny ela fa tsy mbola nisy fotoana nandresen’ny tsia mihitsy. Fa toa odian’ireo mpitondra fanina hatramin’izao ange ny isan’ny mpifidy tonga nandrotsa-bato sy ny tsy ara-dalàna maro nandritra an’izany e! Firy isan-jaton’ny vahoaka feno 18 taona noho mihoatra no tonga naneho ny safidiny? Taiza ho aiza teto an-tany no nisy fifidianana ka fanamarinam- ponenana na taratasy tsotra dia ahafahana mifidy? Nahamenatra sy nampanongo tena mihitsy, kanefa dia sahin’ny “filohantsika” ny nitabataba fa tokony mba ho tonga saina amin’izay ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny vondrona Afrikanina sy vondrona Eropeanina tamin’ireny fahavitrihan’ny mpifidy sy nisafidy ny eny. Ny ankoatra izay moa dia tsy nahagaga raha mbola nanome tsiny ny vondrona SADC hatrany ho miaro tombontsoan’olon- tokana izy. Ho an’izay tsy mahalala sy tsy mahatakatra aloha dia babo, saingy rehefa tena dinihina sy fakafakaina ary hazavaina dia fanampiana goavana ho antsika izany mba tsy hiverimberenan’ny fanonganampanjakana izay mitarika krizy lalina ka tsy hahatafavoaka sy tsy hampandroso antsika mihitsy. Tongava saina amin’izay re Ramalagasy mpiray tanindrazana ô!
O ry vendran'osy a! Efa contexte hafa mihitsy anie no misy ankehitriny e! Ilay saika ho tsy firotsahan'i Andry anie dia niankina tamin'ny fifampiraharahana tamin-dRavalo sy ny tariny e! Saingy noho ny fahamafisan-doha nananan-dRavalo sy ny tariny ka tsy nahafahana nifampiraharaha dia lasa tsy manakery intsony iny hoe tsy firotsahana iny. Noho izany dia afaka mirotsaka soa aman-tsara i Andry! Ho faly ny vahoaka. Ny hadalan-dRavalo sy ny forongony no nahatonga izany.
o ry vendran'ovy isany a!!!Avelao hilatsaka eo i Andry kely fa tsy ho lany eo zany io na hangala-bato sy hifidy amin'ny carnet mpokotany aza ny vahoaka e!Nga bongatany ny mpifanandrina aminy?
