jeu.
09
déc.
2010
Niakatra indray ny vidimbary tamin’iny herinandro iny. Nahitana fiakarany 200 ariary ny makalioka; izany hoe raha 1200 ariary izy teo aloha dia lasa 1400 ariary izy amin’izao fotoana. Ny vary gasy niakatra 150 ariary. 1150 ariary teo aloha dia lasa 1300 ariary. Tsy ny vary ihany anefa no nahitana io fiakarana io fa saika ny entana ilaina andavanandro mihitsy. Ny menaka raha 3700 ariary dia lasa 4250 ariary. Ny voamaina indray raha 700 ariary teo aloha dia lasa 800 ariary. Araka ny nambaran’ny mpivarotra dia efa hatrany amin’ny mpambongady io fiakarana io. Ary isan’ny antony mahatonga izany ny fisian’ny “grossite” tsy ara-dalàna ka tsy voafehy ny vidin’entana........
Raha ireo vidin’entana ireo no jerena dia hita fa tsy mitsahatra miakatra ny vidim-piainana. Ao anatin’ny fotoana fohy monja dia mitombo avo roa eny izany. Atsy aoriana kely zany dia ho aiza ny vahoaka madinika? Natao hampakarana ny vidin-javatra fotsiny ve no nanaovana ny tsena mora sa tena natao hitsinjovana ny vahoaka mihitsy? Sady amin’izay tsy misy raha tsy indroa isan-kerinandro. Voafetra ihany anefa ny zavatra azo vidiana amin’izany. Zara raha mahazo roa kilao nefa manomboka amin’ny 4 maraina no milahatra mbola matin’ny hanoanana sy ny hainandro. Mampalahelo ihany ny zava-misy satria toy ny tany tsy tan-dalàna i Madagasikara ka samy manao izay tiany avokoa ny olona na dia hamelezana ny sasany aza. Ravo Manjaka
Rehefa tafakatra eo Rajoelina kely dia hitobaka ny vary 500 Ariary ny kilao e...inona no atahorana?Mbola miezaka mafy mangalatra manao propagande alohan'ny fotoana izy zao ka tapatapaka ny famatsiam-bary(in-2 isankerinandro fotsiny).Ny vidin'ireo bois de rose nangalariny teto amin'ny Firenena no ahodiny ho an'ny varim-bahoaka.ENGA ANIE...zany ka tsy hisy fa mety hitsindroka zaoridiran'ny FAT sy ny forongony ny ankamaroantsika.
Aleo hihinan'ny amaniny any daholo fa izay no tadiaviny e : bling bling mahavoky !
