jeu.

09

déc.

2010

Firaisana ara-nofo: Mitana tsara ny be taona

Tsy foana velively ny filana ara-nofo eo amin’ny lehilahy, na mandroso taona aza izy. Mpikaroka avy any Aostralia no namoaka ny vokat r y ny fanadihadiana nataony. Navoakany tamin’izany fa mbola ao tsara ny filan’ny lehilahy hanao firaisana aranofo, dia ireo lehilahy eo anelanelan’ny 75 ka hatramin’ny 95 taona. Ny aretina sy ny tsy fahampian’ny fotoana hanaovana izany no mety hahakivy ny ankamaroany amin’izy ireo. Lehilahy miisa 2700 no nanaovana fanadihadiana momba ny fahasalamany sy ny fiainany ara-pananahana. Arakaraka ny maha-be taona ny lehilahy no mampihena ny isan’ny firaisana ara-nofo vitany, araka ny vokatr’ity fanadihadiana ity............

Saingy ho an’ny lehilahy iray amin’ny dimy, 90-95 taona, dia mbola manan-danja be eo amin’ny fiainany hatrany ny firaisana ara-nofo. Ny 31% amin’ireo no mbola nitsikian’ny vintana afaka niaina izany na efa teo amin’ny fotoam-pahanterany aza. Ny karazana aretina toy ny diabeta, ny homamiadan’ny “prostate”, ny havizanana ara-tsaina, ny tosi-dra misondrotra na midina no anisan’ny antony tsy hilaminan’ny fiainana ara-pananahana intsony ho an’ny zokiolona.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    demette (vendredi, 10 décembre 2010 18:00)

    ny problema dia ny vehivavy mitovy taona aminy tsy mahavita intsony indrindra anie ny ao antrano izany angamba mahatonga ny lahy antitra makany any@ireoandohavambola ahahahahah!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra