jeu.

09

déc.

2010

Mivaralila ny taralila

Raha asa fanompoana no atao dia andao hiaraka eny atsimom- patana, mitaky zavatra hafa izao ny mponina, dia mila mifangaro miara-mihosina. Fa raha tonga ny fety aza milasilasy fa revo ihany koa ny Gasy, na mivaralila sy mitonila aza ny tongotra an’ila. Ny taralila dia konka sy rovitra ka lasa mandrivotra sy feno sasiny tsy mahavoaka feo. Mitady fanovàna be mantsy izao ny tantana ”. Hafahafa izany resaka izany fa ataovy toy ny mitsingoloka “friperie” e! Samy revo sy mitady izay tadiaviny, samy miaro ny paosiny tsy ho tratry ny mpangalatra, ary indrindra samy miady varotra amin’izay tandrifin’ny volany. Aza mivaky loha amin’izay omby maty any fa ny henany hanina ? Oadray! f ’angaha moa misy hizara hena indray amin’izao akaiky fety sy eo ambavahadin’ny “Repoblikan’ny fitiavana” izao? Marina fa efa eny an-tananan’ny saka ny hena, marina fa “ny fitiavana” no mibaiko ny hetsika rehetra ataon’ny mpitarika ireo “lanonam-piravoravoana”, marina ihany koa fa na tsy manana hatokona aza ny ankamaroan’ny olona dia tsy hahasakana azy tsy hilanonana izany. Hankatoa ny zava-bitany. Mitehaka sy mifaly no adidin’ny mpankatoa. Dera sy laza ho an’ny mpamorona. Inona tokoa no tokony hobanjinin’ny mpiara- belona amin’izao vanimpotoana hiainantsika izao? Mizara roa sy miavaka tsara ny fihetsiky ny Gasy.........

Tsy te-hizarazara hevitra amin’ny tsy antony akory io Gasy io, fa hampiainina fizarazarana izy, hampiainina fifankahalana, hampiainina fitsitokotokoana, hampiainina an-tanatohatra tsy azo hampitovian-jo. Na iza na iza manan-tsaina sy manampanahy te-handiso izany faha-samihafana izany dia tsy maintsy ho tratry ny tondro-molotra sy ny fanomezana “pempo” amin’ny lafiny maro. Aleo ho jerena amin’ny saina tsy miangatra ny famoriana olona mba hihaino resaka na kabary politika, miseho eto amintsika eto : Samy te-hilanona sy hitorebika ny ankabeazan’ny mponina, ary tsy hifantoka amin’ny hevitra mitory fandrangitana ireny olona mihaino ireny. Tratry ny mosavin’ny Krizy tsy misy vaha-olana matotra, mosavin’ny fitoniana (iriana mafy) nateraky ny lalampanorenana tiana hampiharina avy hatrany. Aza iniana sarahan-kevitra ny Gasy fa izay no mamono mahafaty azy. Mijofo ny vovoka fa raikitra ny bal kabosy, raikitra ny fifaliana notefitefena hanadinoina vetivety ny tena olana, norebireben’ny feon’ny taralila efa mivaralila ny ady hevitra ka lasa hadino ny adin’ombalahy. Natao ho fakàna sitraka amin’ny vavalabemandry ny fampideraderàna ny “zava-bita” izay tsy maintsy natao sy adidy tokony nataon’ny mpitondra. Natao mirentirenty ny haingo ambony tsikoko sy ny fonony toa kanto sy meva jerena. Fa ny tsy manan-kantenaina dia eo an-jorontrano no mba hanetsiketsika ny ankihibeny fotsiny hanaraka ny gadona, mbola hitaintaina mafy amin’ny henjika ara-potokevitra tsy maintsy mbola hitohy. Mivavaka mangina ihany koa ho an’ireo mbola voatàna sy tsy afaka mikofoka. Miandrandra ny lanitra tsy hianjera mba ho avotr’ain’ny tavela irery any atsimom-patana any. Izany no Gasy mifety, izany no fetin’ny Gasy, izany ny revin’ny mpitondra sy ny vahoaka entina ho mpanarak’onja fotsiny ihany, izany ilay mampiharihary ny faha-samihafàna tsy maintsy iainana andavanandro. Izany no Gasy mivaralila. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Ratsiferana (jeudi, 09 décembre 2010 20:03)

    Fitondran'ny jiolahim-boto rehetra io misy eto io ka aza gaga isika e!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra