jeu.
09
déc.
2010
Aoka izay ny ramatahora sy ny jadona. Avoahy ireo gadra politika, ary ampodiana ireo filoha mbola manao sesin-tany ny tenany any ivelany, atao ny fampihavanam- pirenena, mba hirosoana any amin’ny repoblika faha-efatra. Lasa tsianjery ireo ampahan- teny ireo isaky ny manao famoriam-bahoaka ny ankolafy telo. Rariny izany, satria ny fandevenana ny jadona ny nandrodanana ny mpitondra teo aloha, ary hampiharina izany tany mandala ny tena demokrasia izany. Ny mifanohitra amin’ireo anefa no hita nandritra izay roa taona nisian’ity tetezamita ity izay, satria mitombo avo folo heny amin’ny gadra politika noho ny teo aloha no hita ankehitriny. Voatampim-bava ireo tsy mitovy fijery amin’ny FAT, ary mandeha ila ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Fitondrana eken’ny vahoaka tsy ankanavaka, ary hankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena no ilaina hijoro eto, ka tsy maintsy avoaka faran’izay haingana ireo gadra politika. Henjana ny fitakiana tao Alarobia omaly, ary tsy nisy nitsitsy fitenenana ireo mpitari- tolona nanoloana ireo vahoaka marobe nanoina ny antso teo amin’io kianjan’Alarobia io.............
Hitohy ny tolona, ary tsy hitsahatra raha tsy tanteraka ny famerenana ny ara-dalàna. Ny mpitolona, dia nanambara fa matahotra ny hivoahan’ny marina ny mpitondra FAT, ka izay no antony hisakanana ny tsy hisian’ny famoriambahoaka ataon’ny ankolafy telo. Raha fitondrana milaza mamim-bahoaka, aoka tsy hatahotra ny fanehoan-kevitra ataon’ny hafa hoy ihany ireo vahoaka tonga teny amin’io kianja io. Nifanentana ny olona, mba tsy hatahotra, ary hijoro hatramin’ny farany amin’ny fampiharana ny tena fahamarinana eto Madagasikara. Saika tazana teny an-toerana avokoa ireo mpitari-tolona tao amin’ny ankolafy telo, izay tsy nanao Jodasy tany amin’ny FAT io omaly io. Rahoviana indray ny hetsika manaraka ? HERY. A