mer.

08

déc.

2010

Alarobia

Tsenan’ny krismasy Sahirana ireo manana magazay

Malaza amin’izao fotoana izao ny tsenan’ny krismasy izay tsy fantatra marina aloha amin’izao fotoana izao na efa nanomboka na tsia satria tsy dia misy fiavahany loatra amin’ny an-davan’andro. Efa elaela ihany izay no nahitana ireo mpivarotra amoron-dalàna fa amin’izao fotoana izao izy dia tena mameno tanàna mihitsy. Mitaraina ireo Malagasy manana magazay fa matin’ny tsena eny ivelany ny tsenan’izy ireo. Nambaran’izy ireo koa fa tena mijaly amin’izao satria ireo mpivarotra Sinoa dia efa manao fifanarahana manokana amin’ireo mpivarotra amoron-dalana ireo.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra