jeu.

09

déc.

2010

Alakamisy

Fetison Rakoto Andrianirina: Ho ministry ny raharaham-bahiny ?

Hiova tsy ho ela ny governemanta. Fanamby efa napetraka taorian’ny fifidianana farany teo io. Nanaitra ny maro ny nandre, fa tendrena ho ministry ny raharahambahiny hono i Fetsison Rakoto Andrianiriana ? Isan’ny anarana mandeha any ambony any hono io anarana io, na dia any am-pigadrana ao Ambatolampy aza ny tenany. Dia ahoana hoy ny mpitolona namany, raha izay tokoa no tanteraka ? Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. Iza tokoa moa no hanam-po an-dry Raharinaivo ireny ho tonga amin’ny toerana misy azy ankehitriny.

CT Tsimbazaza sy CST Anosikely: Noresahina ny tontolon’ny famotsoran-keloka.

Mafana dia mafana ny resaka tato anatin’ny roa andro, ary samy maneho ny heviny ireo rehetra ka azo lazaina fa mandeha tokoa ny ady hevitra.

Ao ireo miady mafy mba ny foto-kevitry ny fifamelana (grand pardon) sy ny famotsoran-keloka faobe ho an’ireo rehetra voarohirohy teo anelanelan’ny taoan 2002-2010, na efa voaheloka sy voasazy no homena hasina. Misy ireo milaza fa “tsy mety ny hanomezana famotsoran-keloka ny namono olona sy nanodinkodina volam-panjakana”. Mbola hitohy anio ny ady hevitra eny Tsimbazaza. Marihana fa amin’ny faha-9 janoary indray ireto andrim-panjakana tetezamita roa ireto, no hanao fivoriana tsy ara-potoana.

 

Raiamandreny mijoro « Ny firaisam-pirenena no harovana »

« Tsy fantatray ny mikasika ny taratasim-bola miisa telo tao amin’ny tranon’ny jeneraly Rakotonandrasana Noel nandritra ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana tao an-tranony » hoy ireo mpikambana ao amin’ny Raiamandreny mijoro. Marina anefa fa mpitahiry volan’ity fikambanana ity izy, ka lelavola no napetraka tany ary efa nilamina ny fifampiraharahana taminy mikasika ny vola notehiriziny. Hevitry ny Raiamandreny mijoro io nandritra ny nanaovany tatitra tamin’ny mpanao gazety mikasika ny dingana vitany teo amin’ny raharaham- pirenena. Dingana iray amin’ny lohahevitra 10 lany tamin’ny dinika santatra sy fihaonambem-pirenena no efa vita hoy ny filohan’ny Raiamandreny mijoro, ny mpitandrina Ramino Paul, dia ny fitsapan-kevi-bahoaka izany. Hiaro ireo hevitra ireo hatramin’ny farany ny Raiamandreny mijoro ao anatin’ny teny fanevany hoe “Ny firaisam-pirenena no harovana”. Ireo izay hitondra ny repoblika fahefatra no haraha-maso amin’ny fanatanterahana ireo hevitra ireo. Ohatra iray ihany ny mikasika ny fananganana governemantan’ny firaisam-pirenena. Ankoatra ireo dia miantso ny fikambanam-be iraisampirenena ity Raiamandreny mijoro ity mba hijery sy hanome lanja ny ezaka vitan’ny malagasy amin’ny fivoahana amin’ny krizy.

Fitokanana ny lapan’ny tanàna Tambazana artista ny vahoaka

Ela ny ela, ka vita ihany ny lapan’ny tanàna. Tsara endrika Analakely, ary manintona ny maso ny fahitana ny tanàna vita soa aman-tsara. Tetik’asa nipoitra tamin’ingahy Andry Rajoelina ben’ny tanàna teto andrenivohitra ity asa ity. Niova ny tantaram-pirenena, ary nitohy ny asa, ka io ho tokanana ny sabotsy izao io ity toerana manan-tantara ity. Vita araka ny daty nomena hatrany am-boalohany ny asa, na dia somary nihisatra ihany aza tany ampiandohana. Io no asa goavana heverin’ny FAT fa haseho vahoaka voalohany, koa azo antoka, fa izay mpitondra tsy ho avy eo no hanenina. Aorian’ny fitokanana, dia omena ny anjarany ny vahoaka amin’ireo fampisehoana maimam-poana etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Vola be no hanakaramàna ireto artista ireto, satria ry Njakatiana, Oladada, Mika sy Davis, Melky, dia hanafana ny lanonana avokoa. Misy dikany goavana ny hanaovana io fety io, satria mila tambazana fety ny vahoaka taorian’ireny sakoroka maro samihafa ho fanoherana izao fitondrana izao nitranga teto. Mbola fanampena- maso ny vahoaka amin’ny krizy mianjady amin’ny isan-tokan-trano ihany koa io fety io, mba hampangina ny fimenomenonana heno saika isan’andro. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe aorian’ny sabotsy mifety io ve, dia ho voatampin’iny ny mason’ny vahoaka, ka tsy hahitany ilay krizy novolena hivelatra teo anoloany intsony ?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra