Hitodika eny amin-dry zareo eny Ambohidahy ny saina aman’eritreritry ny olom-pirenena manomboka anio, hono Ary tsy hitsahatra izany, na inona na inona hambaran’izy ireo, mikasika indrindra ny famoahana ny vokatra ofisialin’iny fitsapankevi- bahoakan’ny mpitondra avo iny. Any Ambohidahy ny fanalahidy hamahana ny krizy na koa hampisavoritaka sy hampifanolana indray. S at r ia f i t sarana avo momba ny lalàm-panorenana no anaran’ity andrimpanjakana eny Ambohidahy ity, dia izy izany ny tompomarika amin’ny fanajana ny tena dikan’izany “fanjakana tan-dalàna” izany. Aleo ifanarahana fa iny 21 martsa 2009 nanandratan’ny HCC ny mpi tondra Avo teny Mahamasina iny dia noho ny didy hitsivolana 2009- 002 avy teny Soanierana. Dia nasandratra ho avo dia avo ny mpitolona ka tsy hita mazava na manao ny asan’ny filohampirenena izy, na efa “filohampirenena mihitsy” (?).............
Lalàna mifangaro sy lany andro? Ny didy hitsivolana 2009- 12 tamin’ny 18 desambra 2009, izay nananganan’ny mpitondra avo (izy tenany samy irery), ny tetezamita hiampitàna any amin’ny repoblika fahefatra, dia manoritsoritra ao amin’ny andininy voalohany fa tsy mihoatra ny 10 volana io tetezamita io raha vantany vao manankery ilay didy. Fa efa nihoatra lavitra ny 10 volan’ny tetezamita avo ho any amin’ny repoblika fahefatra fa mbola namoaka didy hitsivolana ihany izy nikarakarana ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra lasa teo. Ao amin’io didy hitsivolana io ihany koa, fa ao amin’ny andininy faha-36, dia milaza fa ny volavolan-dalàm-panorenana hatolotra ho amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka dia hankatoavin’ny antenimieram- pirenena rehefa avy nandalo ny filan-kevitry ny minisitra, ireo notinapaky ny fikaonan-doham-pirenena. Nisy an’izany toe-javatra didin’ny lalàna izany ve notanterahin’ny mpitondra avo ? Fa ny didy hitsivolana 2010-003, izay miresaka indrindra ilay lalàna fehizoro mamariparitra ny lalàm-pifidianana, dia nolazaina fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana, koa lalàmpanorenana inona io resahana io? Ilay tamin’ny taona 2007 ? Sa ity vao ho teraka ? Izany fototry ny Repoblika izany ve dia hodinganin’ny eny Ambohidahy fotsiny, ka tsy handraisany izay fepetra tokony hizorany manaraka ny lalàna velona? I lay didy fanapahana 2010-757 tamin’ny 16 aogositra 2010, izay nampiantso ny olompi renena mba hanefa ny adidiny tamin’ny 17 novambra teo, dia nanao tsinontsinona avy hatrany ilay andininy faha-36 milaza fa tsy azo hanaovana fifidianana ny andro fahavaratra (15 aprily- 15 oktobra). Fa inona marina moa izao no antony nanafoanana sy nampihemorana ilay fifidianana ben’ny tanàna ? Tsy noho io resaka fahavaratra sy tsy fahatomombanana maromaro io ? Ary ny tena mahagaga dia ny fampiharana ilay didy hitsivolana 2010-013 tamin’io vanimpotoanan’ny fitsapan-kevibahoaka ny 17 novambra mihitsy, izay manome alalana ny fanovanana ny lisitry ny mpifidy indray, kanefa ny andininy faha-34 amin’ilay didy hitsivolana voalaza etsy ambony dia manoritra fa 15 andro mialoha ny latsa-bato dia faranana ny lisitra ary tsy misy tovana azo hatao. Iza no afaka hijoro sy hilaza fa mety sy manaraka ny lalàna izay noforoniny izy tenany ihany (mpitondra avo) ny lalàna marobe tiany hankatoavin’ny rehetra?
Ho faty ho azy ny lalàmpanorenana vaovao Ilay fametrahana ny lavotondro eo amin’ny biletà, ho an’ireo tsy mahay manoratra, dia zava-doza ho amin’ny tsiambaratelon’ny latsa-bato. Satria ny lavo-tondro dia midika ho sonia sy marika ahafantarana ny olona tsirairay. Koa nahona raha navela hanao sonia ihany koa ireo mahay manoratra fa tsy X no natao nanandrify ny safidiny? Moa izany tsy midika fa azo fantar ina amin’ny lavo tondro ataony ny safidin’ny olompirenena iray? Tandrametaka sy misy paipaika politika tsy mitondra fitoniana ho an’ny firenena velively ny fanomezana hery ny volavolan-dalàm-panorenan’ny Repoblika fahefatra. Tsy manaja ny safidy fototry ny olompirenena tsirairay ny didy aman-dalàna terena ho ankatoaviny: Koa hanana fahasahiana ary ve ny etsy Ambohidahy hanatsikafona ny tsy mety rehetra sa hanaraka ambokony ihany koa amin’ny fisehoan-javatra? Dia iza no ho mpiaro ny lalàmpanorenana vaovao? Tsy ry zareo ihany? Dia hiaro ny diso sy tsy mifanaraka amin’ny lalàna izany? Tantara mitohy!