mar.

07

déc.

2010

Vita ny fifidianana: Ho tany Kanana i Madagasikara

Las’izao ary tsy tokony hibolisatra. Nivaly omaly tamin’ny fomba ofisialy ny fitsapan-kevi-bahoaka natao teto ny 17 novambra teo. Niezinezina ny fandresen’ny ENY, ary nazoto nifidy hono ny vahoaka. Io no dingana nokasain’ny FAT ankehitriny, mba ahafahany miroso amin’ny teti-panorona ho amin’ny fankatoavana iraisam-pirenena sy ny asa kasainy hatao eto. Tsy hisy sakana intsony, satria, ny vahoaka aza efa tonga maro nanoina ny antson’ny mpitondra. Tsy novidiam-bola fa nanefa ny adidiny tamin’ny nahim-pony. Ny mpanohitra mety hanipy hoditr’akondro amin’izao mpitondra izao, efa tsara ambin’ny be baoty, ary maro no voahidy any ampigadrana sy lasa nandositra. Ny haino aman-jery mba nahafahan’ny mpanohitra niteny efa nakatona, ary manjaka tokana ny fanehoan-kevitra eto...........

Momba ny asa indray, dia tsy olana amin’izao, satria ho santarina amin’ny sabotsy ny fitokanana ny lapan’ny tanàna etsy Analakely. Na tsy misy famatsiam-bola any ivelany aza, dia misy foana ny vola eto, satria mbola voaloa ara-dalàna ny karaman’ny mpiasa. Mihodina araka ny tokony ho izy ny asam-panjakana, ary milamina ny tany, satria mivarotra ara-dalàna ny mpivarotra, ary mianatra ny mpianatra. Ho lasa tany kanana amin’izay i Madagasikara, satria izay ilay fitakiana natao tamin’ny taon-dasa ireny, fa tsy sanatria ka ny tsena mora ny valim-babena ho an’ireto olona sahirana noho ny krizy. Aorian’iny valim-pifidianana navoakan’ny HCC teny Ambohidahy omaly iny, dia tsy tokony hisy intsony ny ala-bala ataon’ity fitondrana ity, satria efa tonga amin’ny tanjona niriany izy ireo. Raha mbola misy ambara ho sakana, dia efa tsy fahaiza-miasa intsony, ka ny midongy seza ve no mety amin’izany, sa mba hahatsapa tena hiala amin’izay ? Samia mandinika, fa tsy natao ho fianaran-draharaha ny fiainam-bahoaka, ary ny mpitondra ihany no manambara ireo lahatsoratra voatanisa etsy ambony ireo. Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    tsetse (mardi, 07 décembre 2010 14:18)

    Tena misaotra @ le lahatsoratra , fa isika anie efa samy nahita fa hafa no lazain'ny vava hafa ny ataon'ny tanana, ny manao anefa pozinina ho faty, efa tatara efa nandeha izao ozy ny ankizy izay e!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra