mar.
07
déc.
2010
Mpiasa avy any Liban Izay tsy maty, mitapy
Vao tonga miasa any Liban, dia giazana avy hatrany ny pasipaoro sy ny entanao. Toy ny olona andevo amidy fony andro fahagola no hanaovana ny malagasy hiasa any. Misafidy eo ry zareo, ary misy manambara fa tsy mety amiko io, fa kely endaka. Rehefa vonona ny olona handray ny tena, dia entiny any an-trano, ary asainy mandro avy hatrany, sao hono mamindra aretina. Ny tena loza, dia asiany poizina ny sakafo hanina, ary matanjaka afaka miasa maraina amin’ny 5 ora ka hatramin’ny 11 ora alina. Manao ny asa rehetra, ary tsy manam-pidiny ilay mpiasa. Misy ny mpiasa aholany rehefa tsara bika na tsara tarehy. Ny tena loza, dia halan’ny mpampiasa vavy any Liban ny malagasy. Ireo no mitarika vono, hoy i Patricia izay mpiasa niasa tany, ary tratry ny aretina vokatry ny vono mahazo azy.
Praiministra Camille Vital « Miroso makany amin’ny repoblika fahaefatra isika »
Taorian’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly dia nanamafy ny praiministra Camille Vital fa “firosoana mankany amin’ny repoblika fahaefatra ny fahalanian’ny eny”. Nilaza ihany koa izy fa efa manomboka ny fametrahana ny antontan- taratasy ho an’ireo izay vonona hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filohampirenena. Mbola mitaky fotoana lava rahateo ny fandinihana ireo antontan-taratasy ireo raha azo ekena. Naneho ny heviny mahakasika ny fangatahana fahazoan- dàlana hamory olona eny Ambohijatovo nataon’ireo ankolafy telo ny praiministra. Nanambara izy fa “nahato ny fanomezana alalana azy ireo satria ny firosoana mankany amin’ny repoblika fahaefatra tsy mety raha misy korontana”.
Pierrot Rajaonarivelo Tsy nandà ny voka-pifidianana ny MDM
Nanambara ary Andriamatoa Pierrot Rajaonarivelo fa “efa lany ny eny ka ny dingana manaraka dia ny miroso any amin’ny repoblika fahaefatra”. Hatramin’izay ny antoko MDM dia tsy nisalasala fa nandray anjara tamin’ny famahana ny olana misy eto amin’ny firenena. Tsy azo hodian-tsy hita tokoa ny fahasahiranana mahazo ny Malagasy hatramin’izay nisian’ny krizy ara-politika. Nanamafy araka izany ny filohan’ny MDM fa “ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy no tokony hojerena fa tsy ny tombontsoan’ny mpitondra”. Efa lany iny ny lalàmpanorenana vaovao. Mazava araka izany fa tsy maintsy hiditra amin’ny repoblika fahaefatra isika. Nilaza ary Andriamatoa Pierrot Rajaonarivelo fa misy ny dingana tsy maintsy atao dia ny firosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Tsy maintsy dinihina ihany koa ny fametrahana miaraka io repoblika vaovao io.
Fisoratam-banambadiana Mafy izany bôgosy Vita ny soratra, dia raikitra ny gidraka !
Lehilahy iray, tokony ho 39 taona raha ny fijery ivelany no nosaritahan’ny sipany ny sabotsy lasa teo. Tomefy olona ny firaisana iray teto an-drenivohitra, ary tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany raha mbola variana naka sary iny ny anao lahy no nipoitra tampoka ilay sipany efa bevohoka tokony ho dimy volana teo ny kibony. Nihanahana tampoka teo ilay vady vita soratra vao afaka minitra teo, ary nanomboka teo ny rango-bolo sy ny rangotra. Nigagàm-bahoaka teo, ary vaky ny vavan’ity vady vita soratra. Nosarahan’ny havan’ny lahy sy vavy izy ireo, ary nisy mihitsy ny teny maha-menatra hoe sipa foza orana kely io ve no mba vadian’ity. Ny hany azo nataon’ny mpandalo, dia ny hoe mafy izany bôgosy, fa hifandrotehan’ny vehivavy e.