mar.
07
déc.
2010
Samy mijery izay mety sy tandrifin’ny lohany fosiny sisa ny ankamaroantsika mianakavy. Na ny ety an-tanan-dehibe ety, na ireo any ambanivohitra rehetra any dia samy revo amin’ny tombony kely ho azy, na koa sahiran-tsaina ny amin’izay harapaka sy hiadiana amin’ny fahantrana. Ny mpanao politika ihany koa dia tsy misy fitsipika tena mazava hifampifehezana fa samy manao angoa-tenda amin’izay sendra azy. Ny mpahay toe-karena dia samy maka ny zorony hahitany ny fahaizany manindry ny mpifaninana aminy. Ny manampahaizana sy manampahalalana dia minia mangina ny ankamaroany satria samy mahatsapa fa toa tsy mikaonty intsony ny fahaizana sy izay fahalalana kely hananana eo anatrehan’ny bontolo tsy misy hevitra fototra harovana. Iza ankehitriny no sahy hanantena fitoniana sy hino fa hiroso marina amin’ny fetifetin’ny krismasy (na noely) homban’ny faran’ny taona tena am-pifaliana isika............
Antananarivo Renivohitra aloha dia hikorontana tanteraka ny fifamoivoizana sy ny fifamezivezena ato ho ato. Ho tapapahana ny lalan’ny mpitatitra sy sy mpampiasa azy ankapobeny fa havadika ho tsena “malalaka” sy “fifalian’ny rehetra”. Hamoronana fifaliana goavana tsy manam-paharoa ny fizorantsika amin’ny Repoblika faha-efatra, ka ho lanonana marobe no hiseho manomboka etsy amin’ny lapan’ny tanàna ka hatreny Mahamasina. Ary angaha moa eto ihany fa any amin’ny renivohim-paritany. Izany no haingo ety ivelany, fa ny fototr’ilay fifaliana mihitsy anie no tsy mampitovy ny hevitra ka aza gaga raha ho lasa fiaraha-monin’ny “gana misasa loha” izy ity. Nahoana moa no tsy mampitovy hevitra? Vao omaly no omaly no nihiaka ny mpitondra avo fa lasa sy mivaha amin’izay ny olan’ny firenentsika fa tonga ao anatin’ny Repoblika vaovao isika taorian’iny fanambaràna ofisialin’Ambohidahy iny. Mino sy mahatoky izany tokoa ve ny manan-tsaina rehetra? Ary tena “lamina” manaraka ny lalàna sy fototra ara-demokratika no teraka ankehitriny? Mananjara raha samy olona izany ireo mpankasitraka ny fizorana amin’izay lalana izay fa afaka ny olana politika? Fa ankilan’io firavoravoana io dia misy hatrany ny manohitra sy votery hanohitra (amin’ny fomba maro samihafa) ny fampijoroana izao Repoblika vaovao izao. Tsy misy lalàna na iray aza mandrara azy tsy hanitatra arak’izay mety aminy ny tetezamita. Izay sitraky ny fony ihany koa no arahina, satria raha tsy vita ny fifidianana filohan’ny repoblika faha-efatra, dia tsy mifarana ny tetezamita avo. Dia iza no sahy hilaza fa ireo mpitondra ny firenena malagasy amin’izao fotoana dia mba hanan-kevitra ny hiaro sy hampiteny ireo tsy mitovy hevitra aminy? Koa na hisy aza ny repoblika vaovao dia ho “Repoblikan’ny tetezamita” no tsy maintsy hiainantsika mianakavy. Mifampiarahaba tokoa sa mifampihatsaravelatsihy ny samy malagasy amin’ny vokatra ofisialy nataon’ny fitsarana avon’ny lalampanorenana? Ho voaaro tokoa ve ny zon’ny nanaiky izao fanorenana ny firenena malagasy araky ny hevitry ny mpitondra avo izao? Ary hanan-jo mba hampahafantatra izay antony handavany ny vokatra ve ny hafa. Anjaranao amin’izay zoro hijerenao ny fivoaran-javatra ihany no mamaly izany. Ny toetran’ny gana misasa loha dia mbola hitohy eto amin’ny firenentsika, ary ny didin’ny matanjaka sy ny tetiky ny tompom-baolina no tsy maintsy hiainana eto. Samy afaka mifety satria fotoan’ny fety? Fa tsy maintsy hiverina daholo ny trosa sy ny adin-tsaina, ary ny fifanolanana rehefa tena hiatrika ny adim-piainana. Ony RAMBELO