mar.
07
déc.
2010
Manoloana ny halatra omby any amin’ireo faritra mpamokatra izany dia « krizy » koa ny hena omby eto an-drenivohitra. Araka ny fitantaran’ny mpandraharaha iray manao irony “charcuterie” irony dia efa ho telo volana eo ho eo izay no tsy naharaka ny mpanjifa ny mpamatsy omby. Vokany dia nihena koa ny herin’ny tsena, satria voatery nampakatra vidin’entana, na nampihena ny lanjan’entana ny mpamokatra “charcuterie”. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy hita taratra loatra izany krizy hena omby izany, ho an’ny sarambabembahoaka satria efa tsy anaty teti-bolan’ny fianakaviana tsotra intsony izany fihinanana hena matetika izany. Etsy andaniny dia maro ny hena mitovitovy vidy amin’ny hena omby, ka aleon’ny olona mirona amin’ireny. Matsiro kokoa angaha, toy ny taovan-kena, ny akoho fakana nofo, sns…....................
Ny mpanao “charcuterie” kosa no tena ianjadian’ny krizy satria mitaky hena manara-penitra ny vokatra avoakany. Mahagaga fa ny hena kisoa no noheverina ho lany tamingan’ny pesta, saingy ankehitriny dia ny omby indray no saro-tadiavina noho ny zana-kisoa (fanaovana cochon de lait). Ireo mpivarokena kosa dia nanamarika fa nisy fihenàny be dia be tokoa ny entana amidin’izy ireo. Raha nahalafo omby iray ny mpivarotra iray, talohaloha teo, dia zara raha mahalafo ampahefatr’omby amin’izao ankatoky ny fety izao. Toa tsy dia mandeha ihany anefa ny hena omby, hoy ity mpivarotra, raha tsy ireny mpanao hotely sy mpandraharaha ireny no manjifa azy. Rehefa dinihina tokoa dia saika saosisy avokoa no mandravaka ny fivarotan-kena maro eto an-drenivohitra. Tsy hita firy intsony ireny rambon’omby, silamangany, tongotr’omby, sns…na misy aza dia nampakatra ny vidin’ny lasopy. Ny asan-dahalo no fositra, hoy ireo mpanafatra omby eto an-drenivohitra. Zara raha manana omby hamidy ny faritra maro mpanondrana izany toa ny any Melaky, Bongolava sy manerana ny faritra Sofia, Matsiatra ambony, Ihorombe, hatrany Atsimo andrefana rehetra iny. Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana fa tsy maharaka ny an’ireo dahalo akory ny fitaovana enti-miady. Amin’izao ankatoky ny fety izao no fandehanan’ny tsenan’ny mpanao “charcuterie”. Efa nisondrotra ny vidin’entana amin’ny ankapobeny. Ny tena ilàna ny hena omby amin’ity asa ity moa dia maro toy ny “tsa-tsiou”, ny saosisy, ny kitoza, sns… HERY A