mar.

07

déc.

2010

« Colin Paillard »: Kilalao krismasin’ny mpivady

ala amin’ny mahazatra indray ve ianao mahakasika ny fiarahan’ny mpivady ? Tsotra, mampihomehy nefa tsiambaratelo. Milalaova ary ny « Colin Paillard », indrindra amin’izao fotoan’ny kilalao krismasy izao. Mialoha ny tena lalao aloha dia ireto ny fitsipika arahana. Mila toerana mitokana hanaovana ny kilalao, esory avokoa ny zavatra rehetra mora vaky sy ny mety handratra. Mila samy manala ny fitafiany ary miboridana tanteraka ny mpivady. Tampeno lamba ny mason’ny lehilahy ary asaina mikaroka anao ao anaty efitrano izy. Afaka miaraka manampina maso ihany koa ianareo roa ka mifampitady ao amin’ny maizina ao.......

Mandritra ny fotoana ifampitadiavana eo no hanaovana ny safosafo sy ny kitikitika isan-karazany amin’ny faritry ny vatan’ilay mitampimaso. Aza matahotra misefosefo, na mikiakiaka fahafinaretana … Eo am-panampenana maso eo ihany, rehefa tratrany ianao dia miainga amin’izay ny fiarahanareo mivady, tsy mifankahita tava. Ho hitanao fa hanova ny fiarahana eo amin’ny mpivady ny fanandramana io kilalao io. Vao mainka mampateza ny fakana fahafinaretana ny fanaovana ny firaisana ara-nofo maharitraritra kokoa. Koa milalaova.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra