lun.
06
déc.
2010
Omaly 03 desambra 2010 no lasa niverina any Frantsa ny praiminisitra teo aloha, Tantely Andrainarivo, araka ny resadresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Nanamafy izy fa niresaka naharitra tamin’ny Rajoelina Andry, tamin’alalan’ny antso an-tariby. Momba ny toedraharaham- pirenena no niresahan’izy mirahalahy mianaka nandritra izany fotoana. Ka izany indrindra no nanamarihany fa tsy misy olana amin’ny mpitondra fanjakana na amin’ ireo hery hafa izy. Fantatra fa anisan’ny antondiany teto Madagasikara ny fikarakarana rehetra momba ny fiverenan’ny Filoha Ratsiraka, “izay ho tonga amin’ny fotoana tsy ho ela intsony”. Raha amin’ny lafiny famotsoran- keloka kosa dia nilaza izy fa tsara tokoa ny handinihana ny momba izany. “Tsy mitovy amin’ny raharahan’olona izay voaheloka, nangalatra akoho, ohat ra, ny raharahan’ i reo mpanao politika”.....
Manantena ny mba hahazoan’ny firenena ny fankatoavana iraisam-pirenena I Tantely, mba hahafahana mamaha ireo olana izay misy eto sy hahitana namana vahiny mpampiasa-bola. Nomeny ohatra ny any Manakara. Momba ny seranan-tsambo izay mikatona; na ny faharatsian’ny fitateran-dalamby izay fitaovana iray entina itaterana ireo vokatra mankany Fianarantsoa. “Misedra olana daholo ireo amin’izao fotoana, amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay ireo zatra niasa mandritra ny fiotazana letisia: tsy misy ny asa.” Bet sak a i reo olona no manontany raha toa ka hisy zavatra ho ketrehana miaraka amin’ny Filoha Ratsiraka izao fiverenana any Frantsa izao. Na dia fantatra aza fa samihafa ny fiaramanidina hiverenan’Andrianarivo eto antanindrazana sy izay horaisin’I Didier Ratsiraka hody eto Madagasikara, mety hitovy kosa ve ny andro hahatongavan’ireto olona ao amin’ny AREMA ireto? Anisan’ny andrasan’ny maro arak’izany ny fiverenan’ity Praiminisitra teo aloha ity sy izao anton-dian’izao.