lun.
06
déc.
2010
Sarotra visavisaina ny firaisana ara-nofo tsy mandalo « préliminaires », indrindra ho an’ny vehivavy. Ny « préliminaires » izay fotoana ho an’ny safosafo sy ny orokoroka isan-karazany hoentina mampiakatra ny filana. Tsy mitovy ny filan’ny lehilahy sy ny vehivavy momba izay. Mila 21mn30s ny vehivavy iray hiainana ny “préliminaires”, raha ho an-dry zareo Frantsay, izany hoe anokanana 10mn tsirairay avy ho an’ny mpivady. Mety tsy ho ampy io ho an’ny vehivavy ary tsy hoe haitraitra fa tena tafiditra ao amin’ny filany. Ny zavatra fahita ihany koa anefa indraindray dia mikorontana be ihany ny “préliminaires”, tsy misy fandrindrana. Rehefa mamita ny azy ny iray dia miandry fotsiny ny iray. Mihena ny “excitation” vokany. Ankoatra ny tanana dia manana fitaovana hafa azo ampiasaina ihany koa ny mpivady mandritra ny “préliminaires”. Ao ny vava, ny lela, ny loha-nono, ny hohontanana … izay samy manana ny anjara asany avy. Tsy voatery ho amina faritra iray ihany koa fa afaka misandrahaka manerana ny vatana. Tsy mila fihetsika sarotra ny “préliminaires” ho amin’ny fahombiazany. Tolory azy fotsiny izay tianao ho azo dia mandeha ho azy ny zavatra rehetra. Mila mamantatra ny mety sy ny tsy tiany ihany koa anefa fanampiny.