lun.
06
déc.
2010
Solontenan’ny matanjaka eto amin’ny tanàna iny olona iny. Nahafinaritra sy mba nampitsiry (indray) ilay hambo malagasy ny mahita ny endriky ny trano sy ny haingokaingony rehetra tao amin’ilay efitra nanaovan’iny olona iny ny fanambaràny. Teny malagasy madiorano ilay soratra tao aoriany, ary miezaka ho «naman’ny rehetra» nanatrika teo koa raha ny fomba fihetsik’iny olona iny. Inoana marimarina fa niteny tamin’ny tenin-drazantsika iny olona iny raha nahazo fotoana elaela nifampikasokasohana tamintsika teto izy. Vao haingana loatra mantsy no nahatongavany sy nandraisany ny asa aman-draharahany eto amintsika. Ka isika ve no tokony hianatra ny fomba amam-panon’iny olona iny sy ny fihetsiny ? Sa mila hampianarintsika mianakavy izy fa tsy mahafantatra tsara akory izay zava-boalazany sy novakiany tamin’iny fanambarana nataony iny ? Tsy nisalasala iny olona iny nilaza fa mihemotra ny fahalalahan’ny asa fanaovan- gazety eto amintsika, mampiahiahy sy mampatahotra ny fivoaran’ny toe-draharaha politika sy ara-tsosialin’ny Malagasy, tsy voahaja amin’ny farafaharatsiny sy ny tokony ho izy ny zon’olombelona, izany toe-karena izany moa dia toa tsy mba nasiany tsipi-teny akory satria isika dia mbola voasazin’ny firenen’iny olona iny......
Ny ampitson’iny fanambarana iny ihany dia fanakianana mivaivay no nahazo iny olona iny sy ilay governemantan’ilay firenena nosoloiny tena: Nasehon’ny mpanao gazety malagasy (vitsy sa maro?) nibaribary fa misy tsy fanajana ny zon’olombelona hita miharihary any amin’ny firenen’iny olona iny. Tsy misy tokony hitsabahan’iny olona iny amin’izany fiarovana ny zon’olombelona izany mihitsy satria ny any amin-dry zareo no tokony ho jereny tsara. Ny teo anivon’ny fahefam-pitondrana koa dia namaly bontana avy hatrany an’iny olona iny, ary handefa taratasy any amin’ny firenen’iny olona iny ny vaomiera misahana ny raharaham-bahiny etsy Anosikely, ary voatondro amin’izany taratasy izany fa manala-baraka ny firenena malagasy ireny fanambaràna ireny. Tsy maintsy hiitatra any amin’ny tsy tokony ho izy indray ity fanapempoana iny olona iny ity. Ireo mpanohana ny fitondrana voakasikasik’iny resaka iny manko dia toa mihevitra avy hatrany fa miseho ho katolika alohan’ny Papa iny olona iny, ary mitsabaka amin’ny tsy tokony hidirany. Ny tena mahagaga amin’izao toe-javatra izao dia toa mihevi-tena ho manana ny marina sy tsy azo kianina mihitsy ny momba sy mpanohana izao fahefana mpitondra izao. Miteniteny foana sy miditra amin’ny tsy tokony hidirany tokoa ary ve iny olona iny? Ny fanakianana sy fanambarana misesisesy manankiana sy mampiseho hevitra mifanohitra amin’ny tian’ny fitondrana hatao ve no mety hahamarin-toerana izao fitondrana izao? Lasa ifandrombonana mihitsy ankehitriny ny manapempo an’iny olona iny. Fa inona loatra moa ny ezaka mba nataon’ireny mpanakiana sy mpanapempo ireny raha nofoanan’ny firenen’iny olona iny ny fifanekem-piaraha-miasa momba ny fanondranantsika malalaka ny entantsika any amin-dry zareo? Na farafaharatsiny mba nahita hevitra hafa nanoloana ny tsy azo notohizana intsony ve? Raha izany mantsy no tanteraka dia hitombina ihany ny fanivaivàna ny fanambaran’iny olona iny, ka afaka hihambo ho tsy mila azy ireo intsony tokoa isika. Fa isika dia manapempo nefa tsy mba nanan-javatra hampianarina ny olon-kafa akory. Ny mangalatahaka fotsiny no haintsika. Sao izany no nampatanjaka ny firenen’iny olona iny?