lun.
06
déc.
2010
Be no nimenomeno ireo mpilahatra vao maraim-be ity tsena mora ity fa nihena ny entana azo jifaina. Raha 5 kilao ny vary namidy hatramin’izay, tsy misy afa-tsy 1 kg izany sisa ary toy izany ihany koa ny entana sasany toy ny menaka sy siramamy. Araka ny fanambaran’ny filohanan’ny FAT anefa dia tsy ho vetivety toy ny teo aloha ny fivarotana ny tsena mora fa haharitra. Betsaka no manontany tena hoe vita ve ny propagandy dia sanatria ho foana manaraka izany ihany koa ny entana mora? sa lany vatsy ny mpitantana azy?
Vyvato Rakotovao: Izahay sy Raharinaivo no tompon'ny antoko TIM
Niaraka tamina olona maro mpikambana ao amin'ny CST sy CT no nilazan'ingahy Vyvato Rakotovao fa efa naman'ireo tsy mpikambana ao amin'ny TIM intsony ny mpitarika ny antoko TIM any ivelan'ny firenena satria tsy tonga nanatrika fivoriana natao. Noamafisiny fa dia Ingahy Raharinaivo no filoha mpamorina ny TIM ary mbola izy ihany no filoha Ankehitriny.
Mpampianatra FRAM : Tsy mbola nandray karama septambra Octobra
Miandry ny fandoavana ny tambin-karamany ny volana septambra sy oktobra ireo mpampianatra Fram hatramin’izao. « Mandia ny volana desambra isika izao nefa ny volana septambra mbola tsy voaray akory », hoy ny filohan’ny fikambanana, Victor Rajoarihery. Araka izany miantso ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hamaha ity olana ity.