ven.
03
déc.
2010
Miova avokoa ny toebatan’ny vehivavy rehefa mitondra vohoka. Miova manaraka izay ihany koa ny filany. Ao ny mitady firaisana ara-nofo bebe kokoa, ao ny mitady zavatra hafa, arakaraka ny olona tsirairay. Mitombo ny haben’ny nonon’ny vehivavy rehefa mitondra vohoka. Mivoaka ihany koa ny hakanton’ny faritra mivoitra rehetra ao amin’ny vatany. Te hamoaka ny hatsaran’ny bikany amin’ny maha-vehivavy azy izy mandritra ny fitondrany vohoka. Ampy tsara ny fivelarany, ny maha-“sexy” azy ary ny maha-vehivavy manaitaitra azy. Mampiakatra ny filany ho amin’ny firaisana ara-nofo ny “hormone” mifandray amin’ny maha-bevohoka azy. Tsy dia manana rarin-tsaina ihany koa izy mahakasika ny fomba fanabeazana aizana isan-karazany sy ny fahatongavan’ny fadim-bolana. Manomboka eo amin’ny faha-telo volana ka hatramin’ny faha-enimbolana no iakaran’izay filana izay. Voatery ovaina manaraka izay toe-batana izay ihany koa ny fihetsika ifanaovan’ny mpivady mandritra ny firaisana ara-nofo. Sehatra vaovao ahazoana mitrandraka fomba hafa mahakasika ny fiainana ara-pananahana ihany koa ny fotoana maha-bevohoka ny vehivavy. Koa raha misy ny faniriana hiaina izany dia mahaiza manararaotra satria tsy misy velively ny fandrarana avy amin’ny mpitsabo hatramin’izao. Voalaza ho mitondra voka-tsoa ho an’ny saina sy ny vatan’ny vehivavy, miampita amin’ny zanany ao am-bohoka ny fiainany ny “orgasme”.