ven.
03
déc.
2010
Tami n’ ny t a l a t a n o nivoaka ny vokam-pifidianana vonjimaika tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo. Andrasana arak’izany ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta, aor ian’ny famoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana ny valiny ofisialy. Raha ny fantatra dia maromaro ny mpikambana mety handao ny toerana misy azy. Misy koa ireo izay mbola ho tafajanona amin’ny toerany. Fa ny andrasan’ny maro dia izay hitazona ny toeran’ny praiminisitra, na dia nilaza aza ny filohan’ny Fat fa tsy hiova ny mpitarika ny governemanta . Raha tsiahivina dia notendrena ho praiminisitra ny jeneraly Albert Camille Vital taorian’ny tsy fanarahan’ny fitondrana ny satan’i Maputo..........
Raha nanontaniana ny praiminisitra nandritra ny fanatrehany ny famoahana ny vokatry ny fifidianana tamin’ny talata teo tetsy Alarobia dia tsy nanambara mazava izy na hiala na tsia. Ny hany nambarany dia ny hoe hitondra filaminana ho an’ny vahoaka Malagasy iny voka-pifidianana farany teo iny. Azo lazaina f a manana traik’efa ihany ity praiminisitra ity satria injeniera ny tenany ary efa maro ny dingana nandalovany talohan’ny naha praiminisitra azy, indrindra fa tao amin’ny tafika malagasy. Etsy an-kilany izany rehetra izany dia mangataka ny hisian’ny governemantan’ny firaisam-pirenena sy misokatra ny mpanao politika. Isan’ny tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena teny Ivato izany fananganana governemantan’ny firaisampirenena izany. Mipetraka arak’izany ny fanontaniana hoe moa ve hanaja ny teny nomeny ny mpitondra fanjakana. Izany hoe hanatanteraka ny tapaka tamin’ny fihaonambem-pirenena. Betsaka mantsy no mahatsapa fa toa mivoana amin’ny zavatra tapaka teny Ivato ny zava-misy ankehitriny. Koa ho hita eo raha hanova ny lehiben’ny governemanta ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita.