ven.
03
déc.
2010
Ny fo tokoa ve azo hanaovana fanehoan-kevitra politika? Ary iza no mijaly sy mahita loza amin’ity fihetseham-po tafahoatra ity? Ireny miseho eny amin’ny lapam-panjakana teny Tsimbazaza ireny ve no endriky ny fanaovana politika eto amintsika? Tsy mety ho tonga any amin’ny vontoatin-dresaka mihitsy. Samy miteny izay ao anaty ny fony ao fotsiny. Nampihomehy sy mampanongo tena ny fisehoan-javatra raha dinika mahakasika ny famontsorn-keloka no atao, kanefa nivadika ho fankahalàna sy fanehoan-kevitra mamingavinga ny isam-batan’olona no mahazo laka. Teti-bolam-piasan’ny mpitondra mandritra ny taona 2011 ho avy no nitadiavam-pankatoavana amin-dry zareo mpanao politika mitonon-tena ho maro an’isa ireto, kanefa resaka tombotsoa sy karama ho azy anie no mahavaky ny lohan’izy rehetra e!............
Tsilian-tsofina eny an-dalantsara no nahalalana fa mbola ny fomba mitaky takalo amin’izay asa tokony hataony hatrany no vain-dohan’asan’ireto “solon-tenam-bahoaka” notendrena ireto. Tsy menatra ny ankamaroany mihevi-tena ho toy ny olom-boafidy ara-dalàna ka mitetika ny hihamikamina amin’ny fiarakodia sy hodidin’ny “mpanampy” azy. Nihanahana sy tsy nahita hazavaina ny mpitantana ny ministeran’ny fitantanam-bola nanoloana ny fomba amam-panaon’ny mpanao politika malagasy. Raikitra indray ny ”takalo mindrana” sy ny teritery isankarazany satria nosandain’ireto mpitondra eny Tsimbazaza ireto ny fankatoavana ny teti-bolan’ny fitondrana, ny fanekena izay rehetra takiany ho tombotsoany. Izay ilay politikan’ny marary fo, tsy mahalala afa-tsy ny eo ambany orony, ny tenany sy ny ankohonany ihany, ny fahafinaretana ateraky ny fisehosehona no mameno ny lohany. Dia izay no mibaiko ny fony sy ny politikany. Izany no fomban’ny politika sy ny fanaovana azy eto amintsika eto. Koa ny toetra toy izany ve dia azo hinoana mba hijery manokana ny fomba hisian’ny fitoniana eto amintsika? Ny sasany indray dia sahy miteny avy hatrany fa tsy resaka politika mihitsy no dikan’ny hoe fitoniana, fa anjaran’ny valalabemandry no samy mba hitady ny fitoniana ho azy tsirairay avy. Ô rey olona ô! Samy mijery izay mahasoa azy daholo izany no kolontsaina hifandovana eto? Ny aretim-po mahazo ny mpanao politika Gasy ankehitriny dia baikon’ny fitiavan-tena sy ny valifaty ranofotsiny ihany. Tahotry ny ho fahaverezan’ny fihinanana. Tsy vonona hijery velively izany “tombotsoa ambonin’ny firenena izany”. Olona marary fo ve no havela hiady hevitra? Tsy fiffanenjanan-tsandry no hiafaràny? Tsy misy hevitra hafa mba hobanjinina ankoatra ny resaka tombotsoa sy fitadiavana takalo hatrany hatrany no resaka matavy etsy sy eroa . Koa aza gaga raha lazaina fa nandray vola avy tamin-dranona sy Ranona daholo izay manankevitra rehetra. Hany ka na ny sehatra iraisam-pirenena sy ny tandroka aron’ny vozona eto amintsika avy aza dia voatondro ho “matim-bola”. Izany ve no lalana hitan’ireo “mpitangorona” eny Tsimbazaza ireto fa vaha-olan’ny firenena? Misisiska miditra anaty lapa dia avy eo midongy sy manao fanahin-jaza maroroka; Sa zaza nomen-tanan’ondry? Harary fo amin’izany eo raha ho beloha sy hiteniteny foana eto. Tsy fantatrareo angaha ny nanjo ny sasany miseho nianan-kendry mba niteny sy nananatra? Ony RAMBELO