ven.
03
déc.
2010
Vonona hidinika ny ankolafy maro, izay tafaresaka tamin’ny iraky ny SADC. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny andro sy ny volana hanaovana izany, saingy maika io, raha ny fahitan’ny mpanarabaovao azy. Raha ny feo niely teny amin’ny famoriam-bahoaka nataon’ny ankolafy telo teny Ivandry, dia mety ho eto Madagasikara no hanaovana izany. Raha eto no hisian’ny dinika hamahana ny krizy ho an’ny malagasy, dia ho avy ry Deba sy Dada hoy ireto mpitolona ireto, ary ny miaramilan’ny SADC no hiaro azy ireo ? Mbola hanao ny tatitra any amin’ny lehibe naniraka azy ry Dr Simao, ary aorian’io vao hisy vaovao ho re momba izay dinika izay. Mandrampiandry izany kosa anefa, dia mitohy ny tolon’ny ankolafy telo amin’ny famerenana ny ara-dalàna eto an-tanindrazana............
Isan’io ny famoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika. Ny fahafahana maneho hevitra, ary ny fampodiana ireo filoha roalahy mbola any ivelany. Etsy ankilany, dia manizingizina ny mpitondra tetezamita, fa tsy tokony hivoana amin’ny latsabaton’ny vahoaka ny dinika izay hatao, satria efa nisy fitsapan-kevi-bahoaka vita teto. Eo no hifandrohitan’ny hevitra samihafa. Toy ny tsy misy iny fifidianana iny amin’ny mpanohitra, satria nandeha ila toy ny kiraron’i Beminah. Ny Diplaomaty AmerikanaBrett Bruen etsy ankilany, dia efa nanao tatitra ho ren-tany ren-danitra fa tsy misy fanajana ny zon’olombelona eto, ka voatanisa tao anatin’izany ny momba ny fanagadrana nisesisesy ho an’ny mpanohitra sy ireo manamboninahitra nanao fitakiana toy ny teny Ivato. Teo ihany koa ny fanagadrana mpanao gazety sy ny tsy fahafahana maneho hevitra malalaka. Misavoritaka noho izany ny fahitan’ny mpanara-baovao ny fiainam-pirenena eto, ary izay no ilàna ny fahatsapantena eo amin’ny vondronkery samihafa, mba hahay hifandamina, fa mipitika any amin’ny vahoaka tsy manantsiny hatrany ny rà vokatry ny fitiavan-tena diso tafahoatra eo amin’ny samy mpanao politika. Ravo