ven.

03

déc.

2010

Lany ny eny

Dia ireny niaraha-nahita sy niaraha-nandre ireny fa lany ny eny tamin’ny latsa-bato nandaniana ny lalampanorenana vaovao hitondrana ny tany sy ny fanjakana amin’ny repoblika fahefatra, izay midika fa dia lany ary azo ampiasaina izany io lalam-panorenana vaovao io. Na dia tsy mbola ofisialyaza ny fanambarana nataon’ny komity mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CENI) dia hita ho midangana be tokoa ny elanelan’isan-jato teo amin’ny eny sy ny tsia. Nahatratra 50 teo ho eo izany. Tafakatra 52% mahery ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’iny 17 novambra lasa teo iny. Tsy nokitihina ary tsy nasiana resaka kosa ny isan-jaton’ireo olona tsy tonga nifidy. Raha araka ny vaovao farany dia ho amin’ny sabotsy 4 desambra izao no hamoahan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) ny vokatra ofisialy. Vetivety kosa kouh. Tena nihazakazaka tokoa. Hihazakazaka ho aiza anefa?........

Raha araka ny hita sy tsapa hatramin’izao dia tsy mbola misy na firenena iray aza sahy nijoro nanambara fa mankato iny fifidianana iny sy ity fitondrana nikarakara izany ity. Mazava ho azy fa dia mbola hikatona amintsika hatrany ny poketran’ireo firenena matanjaka sy fikambanana iraisam-pirenena maro toy ny banky foibe sy tahirimbola iraisam-pirenena. Ny tena mahazendana ankehitriny dia asa na fantatry ny mpitondra sy ireo namoaka iny valim-pifidianana iny fa tsy hain’ireo vahoaka nifidy akory anie ny votoatin’ilay lalam-panorenana iny e! Zovy no mahalala fa afaka mirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin’izay ny olona mihoatry ny 35 taona. Isan’izany ny filohan’ny tetezamita ankehitriny. Firy isan-jaton’ny vahoaka no mahafehy fa tsy afaka mirotsaka hofidiana izay olona tsy nipetraka teto Madagasikara nandritra ny enim-bolana nialoha ny datimpifidianana. Na izahay manoratra an-gazety aza dia mbola tsy mahafehy tsara an’iny lalam-panorenana iny akory, mainka fa ny tantsaha any ambanivolo lavitra any. Fa dia lany ny eny ka roso ny dia tsa himpody koa.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra