fahampiantsakafo eto Madagasikara. Ny ankabetsahan’ny Malagasy dia tratran’io avokoa. Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy nefa hatramin’izay dia tsy mahavita taona ny var y hambolena eto amintsika. Vokany, voatery tsy maintsy manafat ra vary avy any ivelany foana. Miezaka mitady fotodrafitrasa hatrany ny tomponandraikitra hiadiana amin’io tsy fahampian-tsakafo io. Nandramana araka izany ny voly vary safiotra. Masomboly nafarana avy any Chine izy ity ary voly vary an-tanety no mety aminy. Efa tamin’ny taona lasa no nanaovana io fanandramana io k a hita fa mety eto amintsika. Masomboly 56 taonina no nafarana tamin’izany ka nahazoana vokatra 6 taonina isaky ny hektara.........
Raha ny fanapahankevitra noraisin’ny tomponandraikitra dia hotohizana ny fambolena an’io vary io satria hinoana fa hamaha ny olan’ny tsy fahampian-tsakafo eto amintsika. “Ezahana ny hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sinoa mba tsy hanafarana masomboly intsony” hoy ny tomponandraikitra. Any amin’ny f a r i t r y Alaotra-Mangoro no tena hanaovana ity voly vary safiotra ity amin’ny maha sompitry Madagasikara azy ka hinoana fa hitombo avo roa eny ny vokatra. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra ihany dia “tokony hisy ny fifaninana eo amin’ny tantsaha amin’ny famokarana na eto an-toerana na any ivelany ”. Tokony hisy io fifaninana io mba hampitomboina ny vary eto Madagasikara fa tsy hanafatra avy any ivelany foana. Raha ny vary eto amintsika dia hita fa mbola mifangaro be ary mila masinina mihitsy entina hanatsarana ny kalitaony. Raha mitohy ny ezaka ataon’ireo tompon’andraikitra amin’ny famahana ny olana amin’ny tsy fahampiantsakafo dia hinoana fa mba ho velom-bolo ihany ny vahoaka madinika.