jeu.
02
déc.
2010
Naverina any amin’ny fonjan’Ambatolampy ireo mpitaritolona ao amin’ny ankolafy telo migadra. Vao maraina no heno, fa nandalo teny anivon’ny fitsarana indray ireo mpitarika ny ankolafy telo Fetison Rakoto Andrianiriana, Pasitera Edouard ary Zafilahy Stanisilas. Taorian’ny fakana ambavany azy ireo nandritra ny fotoana fohy, dia nalefa naka saina any am-ponja indray izy ireo. Nangataka ny fahafahana vonjy maika ho an’ireto mpitolona ireto ny mpisolo vava azy telo ireto, saingy nolavina. Tsy dia nisy nahalala izao fiakarana tampoka eny amin’ny fitsarana izao ny ankamaroan’ny mpitolona, satria natao mangingina ihany ity fitondrana azy ireo teny amin’ny fitsarana izao..........
Ny antony angaha hoy ny mpitazana, dia ny mba hitandroana ny filaminana. Niely vetivety anefa ny feo, fa tonga eny amin’ny fitsarana izy telo lahy ireto, ary vetivety foana, dia tonga teny ireo mpitolona ao amin’ny ankolafy telo. Efa lasa any amin’ny fonjan’Ambatolampy anefa izy ireo vao tonga ny olona. Nitohy teny amin’ny villa Elisabeth Ivandry ny fihaonan’ny ankolafy telo omaly hariva, ary isan’ny heno teny ny fitohizan’ny tolona, ary tsy hitsahatra raha tsy azo ny fandresena. Hisy ihany koa ny fangatahana alalana ho eny Ambohijatovo ho an’ireto ankolafy telo ireto. Raha hiverenana kely ny momba ny raharahampitsarana teny Anosy omaly, dia mbola nandalo teny anivon’ny fitsarana ihany koa ny jeneraly Noel Rakotonandrasana io maraina io. Momba ny rahara BANI ivato izay nikasa hanongam- panjakana andro vitsy lasa izay, no antony nampidirana am-ponja azy ireo. Taorian’ny fakana am-bavany azy, dia naverina eny Tsiafahy indray ny tenany. Miandry ny tohin’ireo raharaha ireo ny rehetra. Bebert