jeu.

02

déc.

2010

Tsena mora: Ady amin’ny fahantrana, sa ady amin’ny mahantra ?

Feno risoriso ny tsena mora nataon’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Hanjakan’ny kolikoly raha izay no hilazana azy, satria tsy ny mahantra no tena mahazo tombony, fa ireo manana andraikitra mizara izany. Manomboka vao mangiran- dratsy ny vahoaka no milahatra, saingy amin’ny valo vao misokatra ny tsena mora. Amin’ny folo ora maraina kosa, dia efa heno fa lany hono ny entana amidy mora amin’ity tsena ity. Misavoritaka ny vahoaka madinika, ary vao mainka mitombo ny fahantrana, satria fotoana tokony mba hanaovana asa kely hafa, nefa dia lany andro milahatra vary sy menaka amidy, nefa tsy mahazo. Mampahatsiahy ny andron’ny kaoperativa fony andron-dRadidy ity tranga ity, satria raha ny mahantra no avotana amin’ny varotra mora toy izao, nefa toa mivadika risoriso ilay izy............

Toa ady amin’ny mahantra no hita, fa tsy ady amin’ny fahantrana. Omaly dia sakoroka no hita tamin’ireo tsena mora eran’ny tanàna. Toa nikatona avokoa mantsy ireny tsena ireny. Aleo tsy misy, toy izay hivadika risoriso hoy ny feo heno teny rehetra teny. Midika izany, fa tsy matotra ny fomba fitsinjaràna itony sakafo entina hanampiana ny sahirana ara-pivelomana itony. Ny mivarotra sakafo mora ary ity manahirana, mainka fa ny fanalàna ny fahantrana amin’ny vahoaka ? Ity tokoa no tonga amin’ilay fiteny hoe tsy hanin-kahavoky, fa tampimaso ho an’ny mahantra. Tsy aleo ve niandry 4L isan-tokantrano tsy azo, toy izay miandry hanin-kely tsy voavidy teny amin’itony tsena mora itony. Pilo kely

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra