jeu.
02
déc.
2010
Matet ika eo amin’ny fiainan’ny mpivady dia very ilay “fantaisie” eo amin’ny firaisana ara-nofo, hany ka lasa fahazarana no betsaka Manjary misy ny fitiavan-tena indraindray eo amin’ny lehilahy izay mahasorena ny vehivavy. Hitan-dry zareo vahiny ary fa anisan’ny mampiaina ny firaisana ny “sex toys” na “electric boyfriend” hoy ry zareo Amerikana. Marina fa tsy mbola tafiditra eo amin’ny fiainan’ny mpivady eto amintsika izany fampiasana fitaovana izany, nefa filazana sy fitantarana ny hay tao sy hay raha avy any ivelany ihany no atsipinay eto amin’ny gazety. Efa miparitaka tokoa itony fitaovana itony eny amin’ny fiarahamonina “vazaha”. Misy isan-karazany ny bikany, ny lokony, ny akora nanaovana azy, ny fofony ary misy koa ny ho an’ny lavaka rehetra, na ho an ny lehilahy na ho an’ny vehivavy..........
Be dia be azo hisafidianana izy io ka asakasak’ireo izay hampiasa azy: Ao ny “vibromasseur de poche”, araka ny anarany dia azo atao anaty paosy izy, manana endrika ganagana kely, na lokomena, na atody… Mangovingovitra izy io satria mandeha vatoaratra ary atao eo amin’ny fivaviana na ny “kitso”, izay no manome fahafinaretana. Misy ilay antsoina hoe “godemichés”, manana endrika filahiana mandeha vatoaratra ihany koa, ka mihovitrovitra na mihodinkodina. Ny “boules de geisha” : manana endrika baolina “golf” malamalama mifampitohitohy toy ny vakana. Asisika tsikelikely ao anaty fivaviana ilay vakana hakan’ny vehivavy fy. Misy aza ireo mpitsabo mandrisika ny fampiasana azy io mba hampihenjanana ny hozatry ny fivaviana (toy ny gymn). “Anneau d’érect ion” : miendr ika perat ra atao amin’ny filahiana, ohatry ny manageja ny eo ambanin’ny filahiana izy io ka mampihenjana tsara sy ela satria vontondra ny filahiana. Io ohatry ny peratra io aza dia misy misy mangovingovitra ihany koa. Ny “menottes” na rojo vy (tandremo sao very ny lakile!), mitovy amin’ny an’ny polisy ireny. Anisan’ny kilalao mahafinaritra ny mpivady ihany koa izy io satria toa lasa manaiky ilay voafatotra, ka mampiakatra ny filàna. Tsy midika ho herisetra mihitsy akory io, rehefa ifanarahana. Ny saron-tava na “masque”, toy ireny amin’ny “carnival” ireny. Rehefa takona tokoa mantsy ny maso dia tsy maintsy ampiasaina ny retsika hafa, toy ny orona, ny vava, ny lela, ny tanana... “Anneau pennien avec picot”, “masseur de prostate”, maro tsy tambo isaina izy ireo, mbola misy ny menamenaka ahosotra isan-karazany, eny fa na sakafo toy ny “crème” aza… Saingy toy ny zavatra rehetra dia misy ihany ny fitandremana sy ny fetrany, sao mantsy lasa tsy raharahiana intsony ilay vady. Ka tokony hahay handanjalanja ny fampiasana azy, sy hahay hifampiresaka. Raha ny eto Madagasikara aloha dia tsy mbola misy ny mivarotra ireny fitaovana ireny satria anisan’ny varotra mbola voararan’ny lalàna izy io. Hany ka an-tariby matetika na miafinafina ny olona mety mamatsy azy.