jeu.
02
déc.
2010
Miverina any amin’ny taona 1980 isika, na tianao na tsy tianao. Tsy maintsy manaiky ianao na te-ho mafy loha sy mafy saina aza. Manaraka ny onjan’ny fiaraha-monina feno ahiahy sy ao anaty tebiteby. Mety tsy te-hiaina izany intsony ianao ka te-hahatoky ny fahefana mpitondra antsika, kanefa atao ahoana fa matanjaka ny fahefam-pitondrana eto Madagasikara, saingy be ny goragora sy ny tandrametaka. Tamin’ny andron’ny sosialisma no tena naha-tompon-daka ny firenentsika tamin’ireny tsaho ireny. Fa izao fotoana iainantsika izao dia efa aty amin’ny fanatontoloana ho an’ny politikan’izao tontolo izao, manaja ny fifaninana malalaka eo amin’ny toe-karena, mikoriana toy ny rano vaky ny fampahalalam-baovao sy ny fampitàna izany any amin’izay tokony hiantefany. Fa ny Gasy dia miaina anaty TSAHO sy FAFY LAINGA tsy azo ialàna mihitsy................
Na hainao amin’ny antsipirihiny aza ny lalàna faran’izay madinika indrindra tokony hampiharina eto amin’ny tany sy ny firenena dia tsy maintsy mikorontan-tsaina ianao rehefa mahazo vahana ny tsaho sy lainga tsy hita porofo. Maty any am-ponja,hono, Ranona; nosamborina sy nalaina am-bavany Ranona sy Ranona; misy mpangala-jaza sy mpamosavy amin’ny alalan’ny sakafo; misy miaramila sy andian’olona toy izao sy izao; hanongam-panjakana sy hanao toy izao sy izao indray ny hafa rehetra tsy hita fototra ity. Moa tsy toy izany ny tamin’ny andro lasantsika? Ary efa niainantsika nandritra ny 16 taona ny toy izany tamin’ilay repoblika faharoa. Sarotra ny manery ny vahoaka tsy mandady harona amin’ny hiaina anaty “filaminana noterena” fotsiny. Tsy mety amin’ny tontolom-piaraha- monina mbola hanjakan’ny ady hevitra tsy dia matotra loatra ny fanerena azy hanaiky ny hatolotra azy fotsiny. Tsy ny karazany marobe amin’ireo gazety sy fampahalalam-baovao amin’ny haino aman-jery tsy akory no ahafahana mandrefy ny faha-samihafana (samy hafa) ara-poto-kevitra. Tsy izany ve sanatria no tonga amin’ny fitenena hoe: “betsiandraofana” fotsiny ny fanehoan-kevitra ateraky ny krizin-dRamalagasy? Tsy mba mahay maka lesona tamin’ny fandaniam-potoana lavabe tsy nahitam-pahombiazana ny fiaraha-monintsika fa tia mamerimbita sy mifanome tsiny lava eto. Ny tsaho sy ny vaovao diso (na iniana nodisoina) dia misy hatrany ny antokon’olona, na antokom-pitondrana mahazo tombony manokana amin’izany. Politika tiana hanakorontanana ny hanaovana fanarian-dia ny vahoaka efa tena trotraky ny adim-piainana io. Verezin-dia tsy hahita ny olany an-davan’andro ny mponina. Alentika ao antsainy ny fitiavan-tena mba tsy hitsinjovany afa-tsy ny tenany sy ny ankohonany, mba, hanadinoiny ny olan’ny tanindrazany. Hain’ny Gasy io tsaho io, tsy hatoro azy ary iainany isan’andro. Fanmendrofendroana sy fiheverana azy tsy ho tompon’antoka amin’ny ho aviny ny fampiainana azy ao anaty fitaintainana fotsiny. Aza tsahoina izy fa hainy io kaozy io. Hainy tsara! Fa inona moa no mba vaha-olan’ny mpitondra mba hiaro azy sy ny fananany? Inona no hantenainy amin’ny “adidy noterena” mba hataony? Efa impiry impiry moa tamin’iny lalana iny no nandrenesany teniteny mampatory mitsangana sy fampanantenana tsy hita fototra? Rehefa lainga dia tsaho e! fa misy tsahon’ny samy vahoaka, ary misy dia misy ny tsaho inian’ny mpitondra haparitaka mba hanamafy ny toerany sy hilazana fa misy dingana sy fandraisan’andraikitra hataony. Aza tsahoina, raha tiana ny hanana vahoaka matotra sy tena mavitrika amin’ny fiharin-karena sy fampandrosoana. Aza tsahoina, fa handosirany toy ny fasam-bao ny anie ny mpampiesona e! Tsy fantantsika angaha fa aleo mifanena amin’ny mpamosavy toa izay amin’ny mpandainga sy mpanely tsaho. Aza mitatasiaka e! Ony RAMBELO