jeu.

02

déc.

2010

Alakamisy

Augustin Razafinarivo Andriamananoro: Tale Jeneraly OMERT

Tsy namely ny tale jeneraly teo aloha, ka dia nosoloina ingahy ministra teo aloha. Izay ny didim-panjakana laharana 2010-0937 nivoaka ny 25 novambra 2010 teo.

Tsy nahazo fahafahana vonjimaika izy telolahy !

Nolavin'ny fitsarana indray ny fanafahana vonjimaika nangatahin'ny mpisolovava an'i Fetison, Zafilahy ary pasitera Edouard, ary na ny fitsarana aza dia toa natao mangingina ihany koa, sao nampisy korontana indray angamba. Ary tao aorian'izany dia mbola namerina fangatahana vaovao indray ny mpisolovava.

 

Jeneraly Raoelina : niakatra mpitsara mpanao famotorana !

Natao ny alarobia maraina ny famotorana ifotony ny Jeneraly Raoelina niaraka tamin'ny Kolonely Andriamihoatra. Ny resaka nifanaovana tamin'ny mpisolo vava azy ireo, Maitre  Santa Navalona Rajaonarison, no nanamarinana fa dia niharan'ny famonoana sy fampiasana herisetra ireo olona arovany ireo, kanefa raran'ny lalana velona eto amintsika izany fomba izany. Rehefa vita moa izany dia niverina eny amin'ny fonjan'ny Tsiafahy izy ireo.

 

Andriamatoa Brett-Bruen : namantsika ny FAT !

Nitondra fanazavana ho an'ny mpanao gazety ny tompon'andraikitry ny serasera eo anivon'ny Masoivoho Amerikana, Atoa Brett-Bruen."Manahy mafy izahay ny amin'ny fanakatonana ny haino aman-jery ataon'ny FAT".Tokony havela aneho hevitra malalaka ny olona, hoy ihany izy. Niantso ny fanjakana amin'izao fotoana izao ihany koa izy ny amin'ny fanajanonana ny fampiasana herisetra eo amin'ny olona  voarohirohy ara-pitsarana.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra