mer.
01
déc.
2010
Tany anaty gazety isan-tokony no nahitana fa hijery manokana ny fianakaviany amin’izay iny olona iny. Raha io fanambaran’iny olona iny io no dinihina sy halalinina tsara dia ambony kokoa noho ny firenena izany, ilay fianakavian tokony hifantohany sy handaniany ny androm-piainany manokana rehetra. Inona moa no mahadiso an’iny olona iny amin’izany? Moa tsy efa nahavita be ho an’ny firenentsika iny olona iny? Moa tsy ezaka ho an’izay firenena izay ihany no nahatonga azy niditra sy niverina teto an-tanindrazana indray? Moa tsy nitady hevitra ho fivahan’izao olona izao no nahatonga azy ho tsy nitandro hasasarana nanao fitetezam-paritany? Fa voaporofo ihany koa izany izao, araka ny fihetsik’iny olona iny, fa tena tsy azo afangaro amin’ny fanompoana ny tanindrazana iombonana, ny fitiavan- tena manokana sy ny fianakaviana. Mahagaga ihany mantsy ny mitazana ny mpanao politikantsika mikarama sy mamelom-bady aman-janaka noho io politika io ihany. Ny tombotsoan’ny firenena sy ny tanindrazana iombonana tokoa dia tsy hananan-kavana, sy hiarovana ny tombony ho an’ny fianakaviana sy ny akamakama e! Marina tsy misy olikolika izany ny hevitra notinapak’iny olona iny? Sa noteren-javatra hafa dia mody hitodika any amin’ny “fianakan’s”?........
Raha ny fahatongavan’iny olona iny teto taorian’ireny henjika ara-politikan’ny taona 2002 ireny, dia tsy volombolon’ny hitodika manokana amin’ny fianakaviana izany izy. Marina fa toy ny olompirenena rehetra dia vory lanona ny ankohonana akaiky sy ny namany marobe tamin’ny fitsenanana azy, saingy antony politika sy fijery tena mahakasika ny fomba hiverenana teo amin’io sehatry ny politika efa nahalalana azy hatrizay no nahatongavany. Vahoaka sesehena sy fivoriana maromaro tamin’ny toerana isankarazany no nataon’iny olona iny nandritra izany fotoana izany. Namporisika sy naneho fahavononana hanohana azy amin’izay eritreritra sy fomba hiverenana eo amin’ny fitantanana ny firenena ireny olona sy vahoaka nanotrona azy ireny. Iny olona iny koa angaha moa zanak’omby hampianarin-domano amin’izany? Tamin’ilay lanonana nankalazàna ny tsingerin-taona nahaterahan’i Deba terý Anosizato terý, dia iny olona iny mihitsy no noeritreretin’ny betsaka fa mpandimby sy vato namelan-kafatry ny “Andry sy Rihana ho enti-manavotra an’I Madagasikara”. Hafa dia hafa ny tondrozotran’ny hoavy any an-tsain’iny olona iny… Fa nahoana loatra? Tampidalan-kaleha sa natahotra? “Raha mandinika ny traik’efa ananako aho, ary koa ny voninhitra sy ny fahoriana niainanay mianakavy, dia mahatsapa fa ho sarotra ny fandraisana andraikitra ato ho ato, izay heverin’ny olona maro ho sahaniko. Na dia voamarina aza ny fahasahiranana atrehin’ny firenena amin’ny sehatra maro, ary tsapako koa ny hetahetan’ny vahoaka”. Indrisy r’iny olona iny! Io no fanambaràna nataonao faramparany teo. Fa olona toy ny inona loatra àry no tena hahavita sy hampanjaka izany hetahetan’ny vahoaka ambetin-dresakareo mpanao politka matetika izany e? Tonga amin’ilay resaky ny razana taloha no hiafaràn’ity Gasy sy ny tanindrazany ity raha izany no izy: “Rainimaria sy ny zanany ,koa samy manao izay hihinanany”? . Dia ho sanatria samy hiatakataka sy hitan-damba daholo tokoa ve izany? Koa rehefa tsy afaka ny hiara-hipetsapetsa amin’izao fahefana izao dia hijery manokana ny fianakaviana sy tsy hiteny intsony? Dia ahoana izany ny ho tohin’ity “fanagadrana arapolitika” manao tohi-vakana ity? Hiandrasana an’iza? Toa tsy mahagaga ihany ilay firesak’i Deba fa mbola tsy teraka akory ny handimby azy. Enga anie handalo sy ho vetivety ihany ity fisotron-drononon’iny olona iny, ka mbola hiverina ihany izy; Sa ts’izany?