mer.
01
déc.
2010
Riana Ranjeva: voaheloka iray volana sazy mihatona!
Omaly tamin'ny iray atoandro no niditra ny efitrano laharana voalohany i Riana Ranjeva niaraka tamin'ny fianakaviany sy ireo mpisolovava azy, notronon'ireo vahoaka maro tsy omby trano. Taorian'izany no namoahan'ny fitsarana ny didy" sazy mihantona iray volana" izy. Marihana fa nifanaretraka ny mpanao gazety teny an-toerana, faniratsirana mpitandro filaminana moa ny vesatra niampangana azy. Nangatahin'ny mpisolovava ny hanadiovana azy tamin'izany satria nilaza izy fa fahatairana no nahazo azy ary ireto mpitandro ny filaminana dia nitondra basy. Ny nahagaga ihany koa dia toa tsy nisy na iray aza ireto mpitory voalaza fa voaopa no tonga nanatrika teny amin'ny fitsarana.
Ho azo ve ny fankatoavana iraisam-pirenena
Navoaka ny CENI omaly ny vokatry ny fifidianana natao momban'ny lalampanorenana. Marihina fa ny Tsia no nandresy tany amin'ny faritra Bongolava. Tonga nanatrika ny lanonana ny vahiny sasantsasany avy amin'ny masovoho frantsay, afrika atsimo, rosia, senegaly.
Mpifidy52,61%, Eny : 74,19%, Tsia : 25,81%