mar.

30

nov.

2010

Vehivavy Amazones: Tsy olana ny miaina amin’ny ila-nono !

Taloha ela be tamin’ny andron’ny angano grika, dia nisy vehivavy “mpiady” na “Guerrière”nantsoina hoe « Amazones », ary ny fitaovam- piadiana ampiasainy amin izany dia ireny “arc” ireny. Henjanina manaraka ny tratra io fitaovana io ka lasa zary manelingelina ny nono rehefa hitifitra. Hany ka nanapa-kevitra ry zareo fa esorina ny ila-nono mba ahafahana mampiasa tsara ilay fitaovana. Taty aoriana ary dia niforona ny fikambanana “Femmes Amazones”, dia ireo vehivavy voan’ny homamiadana ka tsy maintsy esorina ny nono iray manontolo. Mavesatra ho an’ny vehivavy izany hoe tsy misy nono izany, toa zary very ilay maha vehivavy, toa zary atositosik’ilay vady, eny lasa rikoriko ho an’izay mijery aza........

Marina anefa fa misy ny fandidiana samihafa izay atolotry ny mpitsabo mpandidy ireny vehivavy ireny, dia ilay atao hoe “chirurgie réparatrice”. Saingy lava sy ela ny fandidiana, ary lafo. Raha tsy hiresaka fotsiny ny fomba fanamboarana ilay nono fotsiny isika ohatra dia maromaro ny dingana arahina vao mahazo ilay bikan’ny nono: voalohany manisika ilay “implant” ao ambanin’ilay faritra nodidiana, ary satria nihena ny hoditra teo, dia misy hanalana ny hoditry ny fitombenana hatafy eo. Manaraka izay dia atao indray ilay loha nono, ary raha ny filazan’ireo vehivavy dia ilay molotra ao amin’ny fivaviana, izay manana loko somary matroka no hanaovana azy. Ary farany dia misy ny fanaovana tombokavatsa manodidina ny loha nono. Ela tokoa izany, ary mangirifiry ka izay no nahatonga ireto vehivavy “amazones” ireto hampidera sy hanindrahindra ilay mety ho “kilemany”. Ary dia nanao fampisehoana “mahatsikaiky”izy ireo hampisehoana fa tsy olana ny miaina amin’ny nono ilany, ny fisainana no mitondra io. Ka raha misy ny hafatra azonay apetraka dia ny hoe: tsy ny nono ihany akory no mampiseho fa vehivavy ianao. Mamazily

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra