mar.

30

nov.

2010

Talata

Fianakaviana Ranjeva: Miandry ny didim-pitsarana

Andrasana ny didim-pitsaran’izy mianaka, ny rainy moa voarohirohy ho nandray anjara “an-kolaka”tamin’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila. Ny zanany kosa dia voalza fa naniratsira manam-pahefana. Dia mitopy eny Anosy avokoa ny mason’ny mpanara-baovao, asa inona no ho lazain’ny mpitsara izay azo antoka fa anisan’ny mpianatry ny Profesora tamin’ny androny.

Nosy Be hell ville : Mikaikaika ny mponina amin’ny tsy fisian’ny asa.

Hatramin’ny taona 2009 niantombohan’ny krizy dia nihena be tokoa ny mpizaha tany tonga eto amintsika, ary dia miantraika amin’ny andavanandron’ny mponina izany. Anisan’iznay ry zareo any Nosy Be, fanta-daza amin’ny hatsaran’ny tora-pasika, saingy indrisy mihena ny fidiram-bola, maro ny tsy an’asa. Ary aiza ho aiza ilay lazain’ny FAT fa hamboly e?

BANI: Hatao famotorana koa ny Filoha Zafy Albert

Na efa maro aza ireo manam-pahefana sy manamboninahitra nantsoina nanaovana famotorana momba io raharaha BANI io dia miandry ny fahatongavan’ny Pr Zafy Albert any Ankadilanana indray izao ireo mpanao famotorana. Araka ny nambaran’izy ireo dia tsy maintsy ho henoina ny Pr Zafy Albert satria tamin’ny vao nipoaka ny raharaha 17 novambra lasa teo dia isan’ireo nanao fanambarana voalohany izy. Raha ny vaovao heno, dia mety mbola hanaovana famotorana ihany koa Atoa Monja Roindefo.

Hamoaka vokatra vonjy maika ny CENI anio hariva

Efa feno avokoa ny vokapifidianana natao tamin’ny 17 novambra lasa teo. Na mbola tsy namoaka vokatra aza ny CENI dia efa fantatra avy hatrany ny valiny. Nanambara ny CENI fa anio hariva no hamoaka vokatra vonjy maika ofisialy miaraka amin’ireo atontan-taratasimpifidianana rehetra ny CENI. Araka ny vaovao azo dia atao lanonam-panjakana mihitsy ny famoahana ity voka-pifidianana ity. Efa naparitaka any amin’ireo manam-pahefana sy tompon’andraikitra eto amin’ny firenena ireo fanasana hahafahana hiatrika an’io lanona io.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra