mar.

30

nov.

2010

Rinah Rakotomanga: Kandida ho ben’ny tanana

Mi tombo an-da l ana ihany ireo olona hilatsaka ho ben’ny tanana eto andrenivohitra. Isan’io ramatoa Rinah Rakotomanga izay tsy zoviana tamin’ny maro, teo amin’ny sehatra politika, nandritra ny fitondrana Ratsiraka sy ny Praiministra Tantely Andrianarivo. Na dia mbola nahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra aza no hanaovana ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara, dia heno, fa isan’ny hisedra ny safidim-bahoaka eto andrenivohitra ny tenany, na dia tsy mbola ofisialy aza ny fanambarany. Tsy dia manavao amin’ny sofin’ny maro ihany koa io anarana io, ary vehivavy tokana heno fa hifandona amin’ireo lehilahy efa nitondra teto amin’ity tanàna ity i Rinah Rakotomanga. Kandida tsy ho amin’ny antoko AREMA kosa anefa raha ny heno, fa mety amin’ny anarany manokana. Tsapa tato ho aho, fa miha-mihazakazaka eto andrenivohitra avokoa ireo anarana efa fanta-bahoaka tany aloha, izay hihazakazaka etsy amin’ny lapan’ny tanàna vaovao. Asa, iza re no hitoetra ao amin’io trano vaovao io mandritra ny efa-taona e ?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra