mar.

30

nov.

2010

Poeta nodimandry: Iza moa i Elie Rajaonarison

Nodimandry tamin’ny asabot sy 27 novambr a 2010, teo amin’ny faha-59 taonany i Elie Rajaonarison noho ny tsy fahasalamana tampoka. Rajaonarison Elie no anarana nasalotry ny ray aman-dreniny azy. Teraka tao Ambatondrazaka izy ny 15 novambra 1951. Anisan’ny antony iray nireharehany sy nametrahany ho hambo ny maha gaona azy izany, na avy eny Ambohidrano Atsinanana, Avaradrano aza no tena fiaviany. Olon’ny soratra feno i Elie Rajaonarison. Iray tamin’ireo angady nananana sy vy nahitana ny fijoroan’ny Faribolana Sandratra izy, roapolo taona mahery izay...........

Niaraka taminy tamin’izany r y A.R.Ni . (efa maty) , Solofo José sy Lydiar y, Manitra Andriamasinoro, Rakotonirina Gérard, Ranöe, J.Nalisoa Ravalitera. Mbola izy koa no lakana nampita sy nametraka ny Antsan-tononkalo fanaon’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely, niaraka tamin’ny talen’io foibe ara-tsaina io, Eckehart Olszowski, roapolo taona lasa izay. Toy ireo mpiray faribolana aminy, na tsy tafaraka aza, anisan’ireo mpiondrika sy mpitady boky tranainy na saro-tadiavina eny amin’ny boky tonta izy. Maro amin’ireo nifanerasera taminy no tafaradalana taminy tamin’ireny fotoana ireny. R aha fehe z ina , i r a y amin’ireo karazan’olona mpiondam-bok y i E l i e Rajaonar ison. Mbola eo amin’ny sehatry ny zavakanto sy ny soratra ihany, maro ny boky misy ny sorany : Amboaran-tononkalo I, Ranitra, Sandratr’Antsa, Anjambolana, sy ny maro hafa, izay novokar in’ny Faribolana Sandratra sy/na ny Edisiona Tsipika, ankoatra ireo amboara madinika famoakan’ny Faribolana isambolana sy ny gazetin’ny haisoratra « Ambioka ». Boky farany nivoaka teto an-toerana ny « Anjoria », niarahany nisalahy tamin’ireo zandry ao amin’ny Faribolana Sandratra nandritra ny Antsan-tononkalo tao amin’ny Cgm tamin’ny volana oktobra lasa teo. Iray amin’ireo nomanin’ny mpiray faribolana hitondra lahadinika ao amin’ny Foibe Unesco ao Behoririka izy ka ny 15 desambra izao no fandaharam- potoana. « Redy anjoria : any ambadiky ny misy ny misy », no lohateny saiky natolony. Nilona tamin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny serasera i Elie Rajaonarison. Iray tamin’ireo fitarikandron’ny FM tamin’ny onjampeo teto Madagasikara, niaraka tamin-dry Tsilavina Ralaindimby, Niry Ravelojaona ary Nicolas Ratsimandresy izy. Mbola nifanosona taminy hatrany ireo nandritra ny fahavelomany, nikirakira ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. Nilofosany ny famokarana sy fitadiavana sehatra hivelaran’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ka nanjary nifaneraserany tamin’ireo sokajina mpanakanto maro toa an-dry Njila, Samoela, Ricky, Tsiakoraka, Tselonina, Ifanihy, Ralanto, Sesely, sy ny maro hafa sy ho voatanisa. Notohizany teny Ambohitsaina izany tamin’ny f ampi robo robo a n a ny Oniversita sy ny kolontsaina tamin’ny alalan’ny fampianarana tao amin’ny « Médiation culturellle ». « Poète universitaire » rahateo no famaritany ny tenany, araka ny fanazavan’ny fianakaviana. Ankoatra ny maha poeta azy, mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny Oniversite, amin’ny sampana « Anthropologie » i Elie Rajaonarison. Nitety faritra maro niaraka tamin’ny mpiray faribolana izy, nanapariaka ny kanto vita amin’ny soratra toa an’Antsirabe, Ambatondrazaka, Mahanoro, V a t oma n d r y , To l i a r a , Antsiranana, Toamasina sy ny maro hafa. Tsy vitsy koa no niarahany tamin’ireo mpisehatra ny kolontsaina hafa. Voatety hatrany amin’ny Ceg sy lycée isan-karazany. Ccac nomeny ny anarana hoe « Dindo sy Vina ». Mpandrindra an-tsehatra tamin’ny seho maro koa izy. Nahatazanana azy koa ny tontolon’ny politika. Iray tamin’ireo namorona ny antoko Avi izy, araka ny fahafantarana azy. Efa nitana andraikitra ambony tamina minisitera toy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera, mpiandraiki-draharaha tao amin’ny minisiteran’ny raharaham- bahiny amin’ny maha diplaomaty azy, mpanolotsaina tany amin’ny minisitera, mpanolotsain’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Azo lazaina fa nandray anjara feno tamin’ny fiainam-pirenena i elie rajaonarison. Manam-boninahitra fiandry koa izy. Niofana tao amin’ny Akademia miaramilan’Antsirabe, andiany « Dimby ». « Katibo » tamin’ireo indray andia taminy izy, ary niasa tany amin’ny Bani Ivato tamin’ny fotoan’androny. Nisafidy ny lalana nampianatra teny amin’ny Oniversite izy, taorian’izany. Fiteniny amin’ny mpiray Faribolana ny hoe « Izay tsy mihetsika, …mihitsoka », « Izay tsy mahandry … mandeha », « Isika mizara fanahy », « Isika tsy mitsoka lavenona fa mikopaka ny afo ho velona », « Mamorona fa tsy mamerina ». Manambady an’i Mamie i Elie Rajaonarison, manan-janaka telo mirahavavy sy zafikely maromaro. Ambohitrakely Avaratra, ao Ambohidrano Atsinanana no toerana handevenana an’i Elie Rajaonarison, Hisy « Alim-betso » hokarakarain’ny Faribolana Sandratra mandritra ny fiandrasana ny razana. (Fomba fijery Faribolana Sandratra)

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra