mar.

30

nov.

2010

Ady tsy maintsy foronina

(Natokako ho fanajana ny fomba fanoratr ’i Elie RAJAONARISON) « Tsy izaho no tia ady, tsy tiako ny olo-miady, halako ny fandresena nateraky ny ady; Tsy mandamin-javatra loatra ny faharesena no ho ny ady… Saingy tsy maintsy miady aho, ary hiady hatrany satria ady ny fiainana. Tsy izaho ihany koa no namorona ny ady, tsy faniriako ny hamoron’ady, fa nasesika aho mba hiady, noterena aho hiady satria notefena ho mpiady ho an’ny fiainako, noho ny fitiavako ny mpiara-belona amiko, ary indrindra ho an’ny tanindrazako sy ny fireneko ». Mba firy amin’ny Gasy mpiray tanindrazana amiko no miaina anatin’ny ady mahamay toa ahy ? Inoako fa ISIKA rehetra. Isika mianakavy…satria misy ny ady noforonina, ady nambolena mba hampalemy ny hafa, mba ahafahana mihiaka fandresena sy hiravoravoan’ny ampahan’ny tia mifaly eo ambony ady. Ady sy tolona mamaky tratra, ady sy ezaka tiana hampanjariana fifehezana, ady natao hangejana ny marefo? Tsia! Tsy izany ilay “adim-piainako” fa ady hevitra ho amin’ny fahafahako.......

Aza avadika sy avilana ho fankahalana ny adiko. Moa tsy ilaina ny ady raha misy ny zara vilana? Raha misy ny tsindrio fa lavo? Kely tsy mba mamindro? Fanitsakitsahana ny zon’olombelona? Ireo resaka rehetra ireo dia ny saina sy ny tsikalam-pieritreretana no miady mafy ho amin’izany. Tsy mila fitaovampiadiana, tsy mila herisetra, tsy mila rahom-bava, tsy mila hambo diso toerana, tsy mila fisavihana saranga, tsy mila fanararaotana. Mampalahelo fa mbola misy ny miady irery, tsy mba manana mpanampy ara-poto-kevitra. Tsy mba manana mpanohana ara-moraly. Tsy ampy ny ady hevitra sy ny ady hifandrombonana mba hampitsahatra ny krizintsika. Misy ny miady mafy hitoerana maharitra amin’ny fifampiadiana sy ny fifanenjehana. Misy ny miady mafy mba tsy hirosoana any amin’ny ady hevitra. Misy ny miady ho an’ny tenany irery mba hankatoavana ny tiany hampandresena ny adiny. Tsy maintsy ady politika mifototra amin’ny setrasetran’ady no vahaolantsika? Tsy politikan’ny ady ny fampiasana hery tsy mitovy. Ny midaroka ny “voaaron’ny lalàn’ny sehatra iraisam-pirenena” (vokovokomena, mpanao gazety, miaramila midina amin’elon’aina, fanohizana ady ao anatin’ny faritry ny hopitaly sns…) Raha tohizana ny hevitry ny ady dia tsy azo forinina intsony ny ady raha mifanaraka ny mpiady fa hanaja ny fifanarahana. Moa tsy fifanarahana eny andatabatra no “niaro ny ady” mba hatsahatra sy hajanona tamin’ireo ady lehibe roa teto ambonin’ny tany? Fa izany fifanarahana izany dia miantoka ny fifantohana ny fahafahana hiatrika ny adimpiainana sy ny ady amin’ny tsy marina. Tsy hifarana intsony ny ady, raha mbola misy ny tsinay lò manamaimbo ny aty, ny mpisolelaka sy mpananty ràn-kena mbola migoka ny tombony kely efa eo an-tanany. Fa tsy ho foana ny “ady sy saritaka “aterak’izany raha mbola misy mihevi-tena ho marina sy tsy mety ho diso na inona na inona tondroin’ny tananany sy firain’ny vavany. Raha mbola minia mikimpy sy manao bemarenina amin’ny adim-piainanan’ny ankamaroan’ny mpiray tanindrazana ny mpiady fahefana sy mpiady voninahitra. Mbola rediredy hatrany ny ahy f’aza tsiny rahavako! Ady anaty fahanginana fa tsy ady anaty fahatoniana. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra