lun.
29
nov.
2010
Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Na dia lazaina sy eritreretina ho tsy fahita eto amintsika aza io seho io, tena manjaka tanteraka kosa tokoa saingy tsy afa-miteny ny iharany. Na tsy sahy, na tsy mahay, na tsy omena sehatra anehoany izany. Izay no antom-pisian’io andro io. Mora ny miteny fa tsy misy ny herisetra. Mora ihany koa ny milaza ny hiala ka tsy “hanao intsony”. Saingy eto amintsika moa, tsy azo irotorotoana, tsy mahazatra izany. Ny moramora ihany no naha ela velona ka no ovaina vetivety eo?! Ka izany indrindra angamba no nahatonga ny mpitantana ny tetezamita Fat hanangana sy nikarakara ny “tsena mora”? Indroa isan-kerinandro rahateo ihany no ahitana azy, na dia entana ilaina isan’andro aza no amidy ao....
Nambara tamim-pomba ofisialy ihany koa ny hananganana ny “trano mora”, atsy ho atsy. Trano tsy aloa tolo-botsotra fa tsikelikely. Aloa isam-bolana e! Saingy, mahavariana, hatao haingana dia haingana ireto izy. Maika dia maika mantsy ny hilàna azy e, izay no antony. Sanatria ho izay ve no nananganana fonja vaovao, nandritra ity tetezamita ity, hahafahana mampiditra ireto olona marobe noraofina sy nampidirina vao tsy ela? Satria mantsy, na mikasika raharaha miaramila aza ny afera, toa mbola eny Tsiafahy no nandefasana ny sasany, ary tazonina ao Ankadilalana ny hafa. Tsy tanisaina intsony ny sivily efa tafiditra na mbola atao fanadihadiana ny momba azy. Fa ankoatra izay, ny vaovao farany voaray mbola manamarina ny maha “moramora” an’i Madagasikara. Manampahefana iray no resaka. Nividy trano any an-tanindrazany any izy. Tsy nahataitra ny vahoaka any an-toerana loatra izany. Ny mampatahotra azy ireo kosa dia ny fahatongavan’ny tafondro iray ao an-tokotanin’ilay trano, tamin’iny herinandro iny. Avy aiza? Hatao inona? Ary tamin’ny fomba ahoana no nahazoany izany? Tsy fananam-pirenena, vakoka mihitsy aza, ve ireny tafondro ireny? Araka ny fahalalana azy mantsy, na tranom-panjakana ipetrahan’ny mpiadidy ny toerana iray izany (andron’ny faha mpanjaka na tamin’ny fanjanahan-tany), na toby miaramila ihany no tokony hisy tafondro. Koa nahoana no tranon’olon-tsotra izao no mitahiry izany indray izao? Sa efa azo atao daholo izay tiana rehetra?