lun.

29

nov.

2010

Alatsinainy

Mitobaka ny sakafo lany daty

Asa na endriky ny fahanatrana na endriky ny gaboraraka, fa maro be ny entana efa lany daty eny an-tsena. Tsy misy ny fanaraha-maso ny entana sy ny mpivarotra ka dia zava-doza no miseho ankehitriny. Ny ankizy no lasibatra voalohany, noho ny fihinana ireny sakafo ireny, ny heno izao dia ankizy 3 no naiditra hopitaly voapozina. Manakaiky ny fety ka tokony ho samy mailo, sao sodokan’ny “entana mora”

Hamafisina ny fiarovana ny mpitondra ny FAT

Hatramin’ny 17 novambra lasa teo izay nolazaina fa nampitombo ny fandrahonana maro samy hafa mihatra amin’ireo “manam-pahefana” anisan’izany Andriamtoa Andry Rajoelina, dia hamafisina hono izany ny “sécurité présidentielle”. Asa aloha aiza ho aiza ny jijerevana ny fiarovana ny mponina amin’izay izay tena mikaikaika tokoa amin’ny tsy fandriampahalemana.

Fanadihadiana momba an I BANI: An’ny Profesora Zafy indray izao?

Tsy hijanona hatreo akory ny fampanantsona hoy ny Kolonely Ravalomanana. Mbola ho avy ny ankaran’ireo miaramila nitolo-batana, ireo 10 lalhy voatonotonon’ireo namany, heno ihany koa aza fa mbola andrasana ny anjaran’I Zafy Albert, Monja Roindefo. Maro ihany anefa no manontany tena ho an’ireo miaramila hoe nahoana moa no zandary no manao famotorana raha toa ka nilaza ny Praiministra fa “raharaha miaramila” izy ity?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra