sam.

27

nov.

2010

Tsy fantatra anarana

Mety ho olona tsy misy akory angamba iny olona iny? Mety ho aloka? Mety ho noforonina koa? Fa na ahoana na ahoana hanasokajiana iny olona iny dia misy ny dindony sy ny dian-tanan’iny olona iny hatrany ny zava-miseho eto amin’ny firenena malagasy. Mety ho fikambanana koa ve iny olona iny? Sa mety ho fanjakana? Sa mety ho firenena? Tsy fantatra! Tsy fantatra anarana mazava! Fa simba sy rotika ny firenentsika noho ny ataon’iny olona iny teto e! Ny fombafomban’iny olona iny no nabosesiny teto amin’ny firenentsika, ny fomba fizarazarana no nentiny nandemena ny fomba fisainantsika. Mahay mandambolambo sy mivonona ho namantsika nandritra ny taon-jato teo aloha koa iny olona iny. Novonoiny sy nopotehiny ny izay nanan-kevitra ny hanapaka ny tadi-poitrany tamin’iny olona iny. Nametraka fototra ho amin’ny fiharian-karenany teto amintsika ihany koa iny olona iny, ary noho io fihariankarena ataony io dia tiany hatrany ny hakana ny heviny amin’izay rehetra atao eto..........

Heno koa tato ho ato fa “hiseho vatana” amin’izay iny olona iny, ary hanaiky izao dingana vitan’ny mpitondra ny firenentsika izao, na dia mandà sy mbola tsy marisika amin’izany aza ny naman’iny olona iny. Asa indray izay tetika any ambadika any, sy izay mety hifanarahan’ny mpitondra antsika amin’iny olona iny ka mahatonga izao paipaika marobe izao. Toa tsaroana ihany manko ny tantara tany aloha tany fa iny olona iny dia tsy vonona hiara-hiasa velively amin’izay olona tsy manaiky ny politikany sy ny teti-panorona ho fiarovana ireo tombotsoany maro eto amin’ny firenentsika. Ary tsy eto ihany io fa misy koa firenena maro hafa ankoatra antsika mbola tsy tapaka tadi-poitra amin’iny olona iny. Eto amin’ny firenena Malagasy dia tsapa fa tsy miasa irery akory iny olona iny. Marobe mantsy no mahazo vahana amin’ny fiaraha-miasa sy fiarovana ny tombotsoa maro azo avy amin’iny olona iny. Tombanana ankehitriny fa hamahatra eto amintsika mandritra ny fotoana mbola ho avy rehetra iny olona iny sy ny zaza navelany raha izao fihetsiny izao. Manamarina ny ahiahin’iny olona iny hatramin’izay momba ity firenentsika ity ny fihetsiny manararaotra ny fiovan-javatra kely indrindra, ka avy hatrany dia te-hiseho ho tompon’ny fanampahana rehetra eto. Efa nivaha hatry ny ela ity krizy malagasy ity raha navelan’iny olona iny ho isika samy malagasy tokoa no nanapa-kevitra amin’izay tena tiantsika ho tanterahin’ny firenentsika. Saingy indrisy fa ny hevitr’iny olona iny sy ny tombotsoany no tsy maintsy hatao eo alohan’ny tombony ho an’ny malagasy. Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra