sam.
27
nov.
2010
Azo hitsaboana ny aretina samihafa ny ravin-kazo sy ny tapa-kazo rehetra eto. Betsaka no azo ampiasaina eto an-drenivohitra, misy kosa anefa any amin’ny faritra vao misy mety haha-sitrana ny aretina. Io no nambaran’i Rolland, izay mitsabo amin’ny alalan’ny ravin-kazo sy tapakazo. Nandramany nampiasaina avokoa rehefa mety ho ravin-javatra rehetra. Ny 98 %-n’ireny, dia nahasitrana aretina avokoa. Isan’io ny lehilahy iray, izay namoaka tsiranoka efa ho an-taona maro, ary efa simba tanteraka ny taolana, nefa dia sitrana afaka roa volana nitsaboana azy. Ny aretina rehetra, dia azo tsaboina avokoa, saingy mila tandremana amin’ny fatrany, sao hitera-doza hoy Rolland, avy eny Andramasina, ka isan’io ny ngorongosy. Vodin-javatra etsy ambonin’Ampamarinana no alaina, ary hanasitranana ny io aretina io..........
Toy ny mangahazo io zava-maniry io, ary hamainina, avy eo kikisana. Ny tosi-drà sy ny havizanana, dia misy fanefitra hanalana azy avokoa. Mitsabo mosavy ihany koa aho, hoy ity lehilahy ity, saingy tsy manome fanafody olona hamosaviana kosa, satria mifanohitra amin’ny fanomezam-pahasoavana ataony ny toy izany. Tsy maharitra ela ny fitsaboana, satria lafatra ny fitrandrahana ny fanafody ampiasana. Hiezaka hitady lalam-barotra tsara izy, mba ahafahany manitatra amin’ny fikarohana manarapenitra toa an-dry Profesora Ratsimamanga. Mampianatra manandro ihany koa ity lehilahy, ary maro ny mpanorina trano, na mijery ny ho avy no manantona azy. Tsy ratsy ny fanandroana hoy Rolland, satria na ny biby aza dia manandro, vao manao ny trano onenany. Raha mila ny momba ity lehilahy ity ianareo mpamaky, dia afaka miantso aty amin’ny gazety Basy vava. Raleva zokiny
Ohatry mahaliana ahy io, ka mba omeo ahy ny adiresin'i Rolland io fa manamarary aho.
