sam.
27
nov.
2010
Ny fotoana faran’ny herinandro toy izao no azo hanararaotana hialana sasatra sy hiainana toe-javatra miala amin’ny mahazatra. Ho an’ny ivon-toerana iray mpanao fanadihadiana izay nijery akaiky ny momba ny fizahantany dia voalaza fa mampiakatra kokoa ny filan’ny olona ho amin’ny fitiavana ny rivotra any ambanivohitra. Samy manaiky izay avokoa ny 46%- n’ny lehilahy sy ny 46%-n’ny vehivavy. Ireo tanora 18-24 taona no tena maro an’isa tamin’ireo nilaza fa manampy betsaka azy ireo ary mampavitrika ny fiarahana ny fandehanana any ambanivohitra miaraka amin’ny olo-tiana. Ny 60%- n’ny tanora eo amin’io sokajin- taona io no manaiky izany, raha ny 37%-n’ny tanora eo amin’ny sokajin-taona 35-44 taona. Ny volana septambra lasa teo no nanaovana ity fanadihadiana ity tamina olona miisa 1 017 izay samy teratany Frantsay avokoa, 18-54 taona. Raha ampiharina eto amintsika izay voka-panadihadiana izay dia mety hisy ireo alaim-panahy hilaza fa izay angamba no mety ho antony mahatonga ny olona monina any ambanivohitra ho maro anaka.