sam.
27
nov.
2010
Nilaza ny toerana misy azy telo mirahalahy mianaka ireto ihany ny Tale Jeneralin’ny fonja tamin’ny fotoana farany. Araka ny nambarany dia ho fitandroana ny ain’izy ireo no tsy nilazàna ny toerana nametrahana azy ireo hatramin’izay. Nisy ny fanazavana nomen’ity Tale Jeneralin’ny fonja ity mikasika ny namindrafindrana azy ireo. Rehefa napetraka tao Ambatolampy izy ireo dia nandeha ny resaka fa hisy hanafika ny fonja ka nafindra tany Fianarantsoa indray. Tsy nangina anefa fa nandeha foana ny resaka ka izay no nahatonga ny fandraisana fepetra ny tsy nitenenana ny toerana misy azy ireo. Amin’izao fotoana izao dia efa naverina any amin’ny fonjan’Ambatolampy Atoa Fetison sy Zafilahy ary pasitera Edouard. Salama tsara avokoa moa izy ireo amin’izao fotoana izao. Araka ny nambaran’ity tompon’andraikitry ny fonja ity dia tsy afindrafindra toerana intsony fa apetraka amin’ny toerana iray amin’izay izy ireo. Raha tsahivina dia tokony ho niakatra fitsarana ry zareo amin’iny herinandro iny nefa tsy nisy tonga teny ary iny nahemotra amin’ny 25 janoary 2011 indray ny fitsarana. Efa nampanahy ny be sy maro ihany iny toe-draharaha iny satria na ny mpisolovava aza tsy nahafantatra ny toerana nametrahana azy ireo. Nilaza koa izy fa efa afaka mamangy azy ireo amin’izay ny fianakaviany. Ravo