jeu.

25

nov.

2010

Nanjavona ry Fetison sy ny namany: Fandemena ny sain’izay mbola hanohitra

Velon-taraina ny mpisolo vava an-dry Fetison Rakoto Andrianirina sy Pasitera Edouard, ary Zafilahy, fa tsy hita ny fonja nametrahana azy ireo hatramin’izao. Atahorana hitsoaka ve, no anton’izao fanafenana ireto mpanohitra migadra ireto izao, sa misy zavatra kotrehin’ny mpitondra ao ambadiky ity famindrafindrana fonja azy ireo izao ? Tsy misasa ary tsy misolo akanjo ireto voafonja ireto, hoy ny mpisolo vava azy ireo ny talata teo, ary sahirana ny havany noho ny tsy fahafantarana izay toerana misy azy. Ho an’ny mpitazana kosa, dia misy tahotry ny mpitondra ao, matoa tsy atao fanta-bahoaka toy izao ny toerana misy ireto olona ireto. Manana zo toy ny olona rehetra izy ireo, satria mbola tsy meloka. Rariny loatra, raha afaka hiaina toy olona rehetra izy ireo, na dia any am-ponja aza. Raha ny tomban’ny mpanara-baovao, dia entina handemena ny sain’ny mpanohitra, ny fampijaliana ara-tsaina ireto mpitolona ireto, mba ho anatry ny hafa. Tsy hidirana lalina eto ny feo heno momba ny famonoana an-dry Kotity sy ireo manamboninahitra namany nitolobatana teny Ivato, saingy misy lalàna mifehy azy avokoa ny zava-drehetra. Dia ho sanatria ve ka izao no hiafaran’ny olona tsy mitovy firehana eo amin’ny lafiny politika ? Basy vava

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra