jeu.
25
nov.
2010
Lakolosy hafa indray ity ! Fijaliana hatrany no heno tamin’ireo mpiasa niasa tany Liban ! Nisy ny maty, ary maro no nitondra takaitra. Mbola maro ireo olona iharan’ny tsindry hazo lena any amin’io firenena izay hitadiavan’ny malagasy sasany ravin’ahitra io. Izay no tena nibahana ao an-tsain’ny mpitazana, fa araka ny feo hafa re, dia misy fahadisoana betsaka avy aty amin’ny malagasy izay miasa any no antony mahatonga ny fampijaliana. Heno fa misy ireo vehivavy avy aty Madagasikara, no mangalatra ao amin’ilay trano hiasàny, ka mahatonga ilay fikasihan- tanana ? Toy izany ny fanaovana firaisana amin’ny mpampiasa lahy, ka fantatry ny vadiny, ary miteraka vono..........
Etsy ankilany, dia fantatra fa mangalam-pihinana ireto mpiasa vavy malagasy ireto, ka miteraka fanafintohinana ho an’ireo mpampiasa. Raha ny vaovao voaray ihany anefa, dia vokatry ny fanomezana hanina masiso ireto mpiasa gasy ireto no mahatonga azy ireo manao izany. Raha ny tatitry ny mpiasa gasy ihany, dia ambaran’izy ireo, fa misy poizina toy ny drôgy ilay sakafo, ka izay no tsy nihinanany ny sakafo atolotry ny mpampiasa azy. Izany hoe miasa toy ny omby ianao vao mahazo ilay poizina, ka tsy mahatsiaro reraka. Momba ilay tsy fahatokisan’ny vehivavy Libaney mampiasa malagasy ireto, dia raha 100 dolara no karaman’ny mpiasa iray isam-bolana, dia nanambara ny sasany tamin’ireto malagasy ireto, fa omen’ny mpampiasa lahy 300 dolara izy ireo ambonin’ny karamany rehefa afa-po ilay mpampiasa lahy amin’ny asa ampanaovina azy ? Inona no dikan’izany hoy ny mpitazana, fa sao nisy zavatra hafa natao, ka karama telo volana izao no atao hafaliam-po indray andro monja ? Ity vehivavy tafaresaka taminay ity, dia vaky vava nanambara fa ny mpampiasa vavy, dia ratsy toetra, fa ny mpampiasa lahy no mahafinaritra any Liban. Izay ve no mahasaro-piaro ny mpampiasa vavy any amin’io firenena io ? Ny manaitra ny mpitazana anefa, dia ny filazana fa mijaly ireto malagasy ireto, saingy toa maro no mbola te-hijanona any. Ny manaitra ny saina aza, dia ny fandrenesana ireo tera-tany avy eto amintsika, ny maniry mbola hiverina any, na dia voalaza aza fa nijaly. Mbola betsaka ireo miasa any, ary heno fa efa maro ireo naha-angona fananana eto an-toerana amin’izao, mba ho vantanina rehefa tonga eto an-tanindrazana. Na eo aza izany, dia ratsy ny fomba fitondrana ny mpiasa malagasy any an-toerana, tsy mitovy amin’ireo filipina izay efa niasa talohantsika tany. Efa maro ny andraikitra raisin’ny fanjakana manoloana izany, saingy mila mitandrin-tena ihany koa isika, satria na eto an-toerana aza anie ka misy mpiasa mikaoty ny mpampiasa azy sy faingafaingantanana e. Soa aloha fa tsy izy rehetra. Izay ilay lakolosy hafa heno nampitain’ny mpiasa avy niasa tany. HERY A
amiko aloha dia abus de pouvoir sy abus de faiblesse no mahazo ireo mpiasa vavy any Liban ireo,ararotin'ny mpanampy azy hoe mifatotra any an-tany lavitra ary tsy afa-miala dia anaovany izay tiany anaovana azy matoa rizareo mangala-pihinana dia ny dikan'izany dia tsy ampy sakafo izany ary tsy antony tokony hidarofana olona izany,ny hoe ni-kil f'angaha nambànana antsy ny mpampiasa lahy hiray aminy raha misy izany, ary raha mandà kosa ilay mpiasa vavy inona no mety ho fiatraikany anovan'ilay lehilahy mpampiasa azy ny tena tsy misy havana sady lavitry ny tany niaviana hitsoaka aiza ary hila vonjy @iza. Ka raha hoe niray t@ mpampiasa lahy izy, roahina fotsiny dia vita fa tsy andeha ho ampijaliana, ary ilay mpampiasa lahy koa no tokony omen'ny vadiny ny sahaza azy satria azy ireo tanteraka ny fahadisoana.Efa fantatra ran-tany ny laza ratsin'ireo Libanais ireo ka na tady hanadio tena ary rizareo, amiko dia tsy excuses na oviana na oviana hampijaliana mpiasa mihitsy izany.
MERCI IO IZANY DIA MIANKINA AMINAO GASY IHANY MANAJA NY KOLOTSAINA MALAGASY IANAO DIA HAJAINYGASY AHO MIASA ETO LIBAN FA MATAHOTRA NY GASY IZY TSY SAHY NA DIA MANOPA AZA ARY ILAINA NY FAHALALAMPOMBA KOA MIRARY IREO IZAYMIJALY MBA HAHITA FAHOMBIAZANA MAHEREZA FA TIA ANAO JESOSY
tsy azo mihitsy ny lazain'i lidia.matoa ianao mivoaka any amin'ny tany iray dia manaraha ny kolotsain'ilay tany aloha mba tsy hasahirana anao.marina fa sahirana ny gasy ary hafa ihany ny mivoaka any ivelany izany .fa rehefa tsy mety dia mandehana mody aza mamono tena ry reto a!mbola misy firenena hafa azo hadehanareo.hoatra comores rehefa tinareo ihany ilay mivoaka raha mila fanazavana ianareo dia valio ento.dia aveo rehefa tinareo koa hanefa ilay ho any liban dia mianara aloha hoatra teny anglais na francais, liban zan mety anglais dia hianaro aloha ilay asa ho ataonareo any fa aza mande andrambany fotsiny zan e.normal nareo na mijaly satsia tsy ampy fiomanana tsy azo ataotao foana zan mivoaka hivelany zan mila maro bagazy enao.mapahery any ireo gasy any ba hahay teny liban haingana dia zay mbola maniry ny ho any mianara aloha teny anglisy na francais dia mianara momba ilay asa handehananao any .dia ho any ilay mpiasa trano koa ilay vadin'olona aza tsiriritina aza hanehona fietsika maha taitra azy fa nareo magaro biby hadavaka .misaotra tompoko
O ry zareo a! Efa fantatrareo ny zava-misy ka ianareo ihany io. Vava-kisoa misy sira sy vorondolo misy sakay ka hasakasakao zay hihinana azy. Arabo nge ireo e, hiasa no atao any fa tsy sanatria akory hoe hi-kil. Marina fa vola no tadiavina nefa na dia izany aza mijangajanga. OK d bonne chance daholo nareo zany.
marina fa oe mitady vola kanefa tsy aleo iany ve eto dago , aleo miafy toy izay matimaty foana any an-tanin 'olana any
Courage fona ry zareoa! 3,5ans anie ka tsy mandrakizay e!! izay maaritra mantsy ono vadin'andriana.
salut ny aty aloha de mazana nefa ra apetraka eo atananandriamanitra dia misosa e kizitina sy saropiaro ny ramatoa nefa arahina aminy onjany ny fiainana ka mahereza re ry gasy namako e aza mamono tena izany fa mbola hoavy ny anjaramasoandronao jereo ny fianakavianao hiasa no naleanao aty koa faty ve no hody e mivavaha foana e ary mahereza tia anao jesosy
zaho aloha dia mijaly e am 12alina foana vao matory ary mifoha am 5maraina avieo lasa mianatra ny pianatra dia miasa tahaka ny omby aho manariva ny andro ny sakafo zara ra minana ny tabataaba etsy andaniny ny latsa manginy fotsiny nanenina aho no nande tety nefa tsy kivy aho marina ny anao hoe 3taona tsy mandrakizay
aty liban aho no manoratra ity marary aho zao tsy misy piraraha fa dia ny asa ihany no tsy maintsy vita
aza mandeha aty fa tsy misy lalana sady tsy misy ny mitsabo raha marary
