mer.
24
nov.
2010
Ireo mpikotaba vao maraina no voatana, ka handry fehizay izany ny tanàna? Ary tsy mijanona eo ny tohin’ny tantara fa tsy maintsy hohalehibeazina ny fonja fa mety ho ny antsasaky ny mponina Gasy sy ny ampahany betsaka amin’ireo tandroka aron’ny vozona no alefa honina any. Dia malalaka izany ny lalan’iny olona iny e! Nampiasainy ny herin’ny basy sy ny fampiasana ny “didin’ny besandry”. Fa hahafoana ny hevitra tokony mbola ho tadiavina ve ny lalan-tsarotra tian’iny olona iny hizorana? Safidiny azy samirery sa misy mpamporisika sy mpandroboka azy hiroso hatrany iny olona iny? Moa azon’iny olona iny hianteherana tokoa ve ny soratra sy ny isan’ny olona mpifidy tamin’ilay fandatsaham-bato farany teo? Mahagaga ihany mantsy fa tsy maintsy mizotra amin’ny fampiasana hery hatrany ireo “mpomba azy” eo amin’ny fampanginana ny vondron’olona mba manana ny fombany sy ny heviny. Iny olona iny dia nihetsika sy nanetsika ny fironan-kevitra teto mba hampanjakana ny tena demokrasia marina eto amintsika. Koa afa-po amin’izay mba eritreriny tokoa ary ve iny olona iny ankehitriny? Ary demokrasia manao ahoana tokoa moa no tian’iny olona iny hampiainana ity Gasy izay lazainy sy averimberiny fa tiany sy ankamamiany?..........
Ny olana mbola eo an-tsorok’iny olona iny dia ny fifehezana tanteraka ny tany sy ny firenena. Matoa ny sehatra iraisam-pirenena misalasala tanteraka amin’ny fomba amam-panaon’iny olona iny dia tsy voaantoka amin’ny an-tsakany sy an-davany ny tsy hiverenan’ny korontana sy ny fifanjevoana hafa indray. Tsy ho voatantan’iny olona iny amin’ny alalan’ny demokrasian’ny basy ity firenena malagasy ity ka tsy maintsy mbola teren’ny fironan-kevitra ato anatiny sy ny any ivelany mba hiverina an-databatry ny fifampidinihina indray iny olona iny. Eto anatiny aza izy tsy mahafehy marina ny fikorian’ny hevitry ny sarambaben’ny olona koa mainka fa any ivelany? Tsy mba manana hevitra marina hotohanana sy hampanjakaina mantsy iny olona iny hatramin’izao fa variana miaro sy mampanjaka ny fahefana azony fotsiny hatrany. Dia ampitomboany amin’ny fampanantenana marobe, mbola ilana fotoana lavabe. Dia nanaiky isika mianakavy, ary mbola hanaiky hatrany an’iny olona iny? Nampiasainy daholo ny fomba rehetra nahatontosana ny fakana ny hevi-bahoaka, ary dia harovany amin’ny alalan’ny fampanjakana ny hery sy tanjaky ny fitondrana ny fanatanterahana izany. Dia azo inoana ve fa ny fampiasan’iny olona iny ny fandemena ataony amin’ireo tsy mitovy hevitra aminy no tena dikan’ilay fanovàna izay nimatimatesany hatrizay? Mbola hitohy hatrany ny fampiasana ny hevi-petsy maro isan-karazany fanaon’iny olona iny. Raha ny lokalokany dia hajanony amin’ny faran’ity taona ity ny tetezamitany, ary ilay resaky ny HCC kosa dia efa tokony nifarana 18 volana tao aorian’ny 21 martsa 2009. Fa aza gaga ianao raha hahare avy amin’ny vavan’iny olona iny, ato ho ato, fa noho ny fahavitrihan’ny tahan’ny fandraisan’ny olompirenenana anjara tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka dia raisina ny hevitry ny vahoaka ka hitohy ny fitondrana tetezamita izay tarihiny, satria izay izao no ara-dalàna sy azo antoka ho amin’ny fitoniana marina eto amin’ny firenentsika. Izay ihany no vaha-olan’ny krizy malagasy, ary izay tsy mankatoa izany dia hampanginina satria demokrasian’ny basy no filamatry ny tetezamita avo? Matesa anie aho rahavako alohanao!