lun.

22

nov.

2010

Vehivavy: Inona no atao rehefa any am-pandriana ?

Samy manana ny talentany ny olona t s i rai ray any am-pandriana any. Eo amin’ny lafiny ankapobeny kosa anefa dia misy zavatra sasantsasany iraisan’ny vehivavy ihany ao anatin’izany. Manana ny andrasany mantsy ny andriambavilanitra rehefa manao firaisana ara-nofo fa tsy dia hoe adidy fotsiny izy io. Mila lehilahy manaja ny zavatra iriany izy. Raha malaina hanao firaisana ara-nofo izy ohatra, dia tsy tokony hoterena amin’izany fa ankatoavina ny safidiny. Mila safosafo ihany koa ny vehivavy any am-pandriana, entina hampiakarana ny hafanana. Mandritra ny fiarahana dia miandry karazana fihetsika sy fomba hafa ny vehivavy. Tsy hoe fihetsika iray foana no averimberina isan’andro isan’alina izao fa mba tsara ny manovanova, hampitombo hatrany ny filana sy ny faniriana. Rehefa vita indray ny firaisana ara-nofo dia mila tambitamby ny vehivavy. Ny ankamaroan’ny lehilahy dia voalaza ho mitodi-damosina na renoka avy hatrany mandritra io fotoana io. Miandry tambitamby sy teny mamy ny vehivavy amin’iny. Mila serasera sy fifampiresahana ary fifandraisana tsy tapaka ny fiainam-pitiavana. Miandry fanajana ny vehivavy. Mananjo hamboraka izay tiany sy izay mahasosotra azy izy fa tsy hoe ny lahy no lohan’ny vavy dia voatery hanaraka ny tian’ny lahy ny vavy. Fomba fitenintsika ny hoe ny tarehy ratsy no tsy azo ovaina fa ny toetra ratsy kosa azo ialana. Azo ampiharina tsara amin’ny toy izao izay oha-pitenenana izay. Koa raha fantatra ary izay ny zavatra andrasan’ny vehivavy, dia tsy tokony hisy intsony ny sakana tsy ahazoana manome azy izany.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra