lun.

22

nov.

2010

Kamory manonja

Midika ho « tanjaka» ve ny fampiharana ny didy amandalàna hifanaraka fotsiny amin’izay mahasoa kokoa ny ampahan’olona eto amin’ny firenena ? Tsy maintsy nandraisana fepetra ny « fanonganampanjakana » teny Ivato, ary vokatry ny fifampidinihina(?) dia nitolo-batana ny andiana miaramila « namahatra » tao amin’ilay toby. Nahemotra ho amin’ny fotoana tsy mbola voatondro ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly, satria anaty orana isika izao. Marina izany ! Fa ilay amboletra teo aloha dia hevitra toa inona loatra re no nanosika ny fanampahan-kevitra? Ireo sehon-javatra roa ireo dia toa mbola azo hilazana hatrany fa tsy tena mijery ny hirosoana any amin’ny fitoniana sy ny tsy hiverimberenan’ny krizy ny mpitondra eto amintsika eto. Tena fanapahan-kevitra nivoaka marina teny amin’ny Foiben’ny fibaikona teny Andohalo ve no nisamborana ireo “namahatra” teny Ivato? Tsy maintsy tamin-kery ihany ve no hamahana ny olana? Noezahina nohamarinina mafy tamin’ny fampahalalam-baovao fa tsy nisy aina nafoy, na koa naratra.Tsy resaka ara-miaramila fotsiny no niseho teny fa nisy hevitra arapolitika ihany koa, ary izany indrindra no nanasokajiana azy ho “fanonganana fanjakana”.........

Marobe ankehitriny no voafonja noho ny hevitra izay narosony hodinihin’ny mpiray tanindrazana. Ireny rehetra ireny dia mifanohitra sy tsy mety hiara-dalana amin’ny fijerin’ny mpitarika sy ny mpomba azy ankehitriny. Ka lasa ihany ny sain’ny tsy tia ady: Sao mba tokony ny mpomba azy indray ary no tokony hanolo-kevitra ny mpitarika mba hisaintsaina sy handinika lalina ny fanampahan-kevitra noraisiny. Moa tsy efa dingana ho amin’izany ve ity fanemorana ny datin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ity? Io fifidianana kaominaly io dia tsy ho azo hirosoana velively ny fanantanterahana azy, satria tsy nisy akory ny fanazavana mialoha raha mbola ao anaty ny vanimpotoan’ny tetezamita avo no hanatanterahana izany na efa any amin’ilay repoblika fahaefatra. Tsy ho tapitra mihitsy izao tetezamita izao raha tsy vita ny fifidianana ny filohampirenena hitondra ny repoblika fahaefatra, araka ilay andininy faha-166 amin’ilay nanaovana ENY teo. Kamory aza ity toa manonja mafy, koa mainka fa ranomasina? Raha ny fanombanana dia toa hampiasaina amin’ny fomba faran’izay hentitra, hampanekena ny mpiray firenena izay rehetra eo ampelatanana. Izany dia ahafahana milalao ny didy aman-dalàna (satria efa mihevitra ho tafaverina amin’ny ara-dalàna ny mpihazona ny fahefana, noho ny fahatanterahan’ilay fitsapan-kevi-bahoaka, sy ny fandresen’ny eny) sy ny hery ara-miaramila eo an-tanana. Moa ny safidy nataon’ireo nampandany ny “Eny” ve dia manome rariny marina izao fomba fitondrana izao? Tena azo antoka hampitsahatra marina ny krizy politika ve ny fampiasana ny didin’ny tompom-baolina fotsiny? Tena teny ieràna marina ve fa mahafehy fitondrana sy fitantanana ny firenena ny fampidirana am-ponja (faobe) tsy misy fiafaràny? Mitsahatra tanteraka ve ny fanehoan-kevitra sy ny lonilony efa nahazo faka aman-taonany maro raha tsy misy na tapak’olona iray aza mba te-hilaza ny heviny? Ny tena fanovàna nanadrandrain’ny maro tamin’ny hetsi-panoherana natao ny dia fampanjakàna ny hevitry ny maro an’isa, ary tsy fanaovana zinona ny vitsy an’isa…Kanefa tena mamaritra ilay resaka “maro” sy “vitsy“ ve ny hevitra vao nalaina farany teo? Arakaraka ny toerana misy anao ny valiny. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra