lun.

22

nov.

2010

Hetsika an-dalambe: Ho ringana ve ny mpanohitra ?

Hilamina amin’izay ny mpitondra FAT ! Tsy hisy intsony ny olona hanelingelina azy ireo, satria efa voafehiny tanteraka ny raharaham-pirenena. Ny miaramila nikasa hanongana azy, efa voasambotra, ary ireo ben’ny tanàna mba nampiaka-peo, efa voasambotra iny ny mpitarika azy, ary ny vahoaka efa tsara ambina amin’ny hetsiky ny be baoty. Ringana tanteraka hatreto ny mpanohitra, satria na ny fanehoan-kevitra ataon’izy ireo an-dalambe aza efa tsy misy intsony. Ireo nankao amin’ny Magro, efa tsy hita tabilao, satria efa tsara ambina ihany koa io toerana io. Ny haino aman-jery nahafahan’ny mpanohitra niresaka teo aloha, efa nangina sy nakatona avokoa. Ny fahazoana alalana hanao famoriam- bahoaka ankalamanjana, dia tsy mbola azo atao, satria mety hampitarika korontana ho an’ny fiaraha-monina........

Ireo mpitarika ny mpanohitra toa an-dry Ratsiraka sy Ravalomanana, efa io tsy sahy mody an-tanindrazana io. Ny Profesora Zafy Albert, dia mbola mijanona fanambarana ao an-tranony ihany ny zava-drehetra, ary ry Monja sy Raymond Ranjeva io efa nokilasiana ho isan’ny mpiray tetika amin’ny mpanongampanjakana teny amin’ny BANI ireny. Malalaka ny làlan’ny FAT hatreto, satria afaka manao ireo tetik’asany amin’izay izy ireo, satria efa mandry ivohon’ny vato ny fiarovana azy sy ny sezany. Maro ireo fampanantenana natao nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny, ary andrasan’ny vahoaka ny fahavitàny. Ny fifidianana fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka efa vita iny, ary asa fa tsy kabary intsony izao no maika. Mihevitra ny rehetra, fa tapitra ringana amin’izay ny fanoherana eto, satria iza no mbola sahy hanao sorona ny ainy taorian’ireny karazampisamborana tetsy sy teroa ireny, na dia maro aza no nilaza fa be ny sinema tamin’iny tranga faran’ny herinandro iny? Ny hetsika an-dalambe no mety hiato, fa ny fahakivian’ny vahoaka, mba manao ahoana ? Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    demette (mardi, 23 novembre 2010 15:23)

    fa nahoana nahatonga izao zavamiseo eto amintsika ? tsy ekenay malagasy aty ampita :ny tsy fanomezana fahafahana mihetsika ataon ny vahoaka milaza ny heviny tsy izany ve no tena jadona ? nanonganana any pr ratsiraka sy ny pr ravalomanana :dia ny hoe dictateurs izy roa lahy ;kay voamaika zavadoza noho hitany malagasy mahamenatra!

  • #2

    ilaikely (mardi, 23 novembre 2010 19:52)

    ry zareo mpanao politika mihitsy no tena tsy mahalala ny rariny, raha mbola teo ra8 ve ho afaka nody na de i pierrot aza.
    tsy mba avela hitondra aloha le olona fa somparana sy hitambarana ka rariny ny azy raha misabotra izy hampilamina ny tany, mba hamadiahna ny pejy,
    tsarovy fa monina aty ivelany ihany koa ny mpanoratra.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra