sam.
20
nov.
2010
Toy ny fanaon’ny orinasa Savonnerie Tropicale, isaky ny faramparan’ny taona tahaka izao dia nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ireo tompon’andraikitry ny orinasa, manao jery todika sy manombatomba ny ho avin’ny orinasa. Ny sehatra indostrialy no nasongadiny ka nambarany ny toeran’ny orinasa tantanany manoloana ny tontolon’ny indostria eto Madagasikara. 40 taona ny savonnerie tropicale, ary ady hatrany no natrehany hatramin’izay, ary an-dalana ho amin’ny fahafahan’ny indostria malagasy ny orinasa amin’izao fotoana izao. Nihena hatrany ny vokatr’ity orinasa ity, ka amin’izao fotoana dia nihena hatrany amin’ny 50% mihitsy. Tsy mihemotra ny orinasa hoy ny filoha tale jeneraly Ramaroson André, fa manantena ny fiasan’ny tetezamita sy ny repoblika fahefatra. Takiany hatramin’izao ny fahaleovantenan’ny indostria malagasy izay nanomezany ohatra amin’ny hosoka ataon’ny mpamokatra savony any Maurice. Betsaka ny savony avy any ivelany, tsy manarapenitra nefa tafiditra eto. Nahatratra 15 koa ny orinasa nanao savony teto saingy ity ihany aloha no nahay niatrika ny fifaninanana. Eo ihany ny hosoka hoy ity filoha tale jeneraly ity fa mampitotongana ny indostria ny fahasarotan’ny enti-manana sy ny fampisamboram-bola. Araka izany dia an-dalam-pitolomana ho an’ny indostria malagasy ny savonnerie tropicale. HERY A