sam.
20
nov.
2010
Samy maminavina izay mety ho tohin’ny toe-draharaha mitranga eto amin’ny firenena tao anatin’ny telo andro ny mpanara-baovao samihafa. Samy mikopaka ny afo velomina ny mpifanandrina ara-politika : ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT) somokitra amin’ny fitsapankevibahoaka nandrandrainy hivoahana amin’ny krizy, ary nampivory ny kongoresy sy ny CST, etsy andaniny. Ny miaramila mamahatra ao amin’ny tobin’ny BANI sy RFI koa efa naneho ny fahavononany tanteraka ary tsy mihemotra amin’ny fitakiany amin’ny hialan’ny mpitondra ao amin’ny FAT… Ny vahoaka very fanahy mbola velona satria tsy tongotra hitsipaka, ary tsy tànana handrangotra, miady amin’ny fiainana mihasarotra isan’andro.....
Nitaintaina ny teny Ivato Tsy tafandry mandry ary nikoropadropaka be ihany ny mponin’Ivato sy ny fokontany manodidina ny toby miaramila BANI sy 1er RFI omaly maraina. Nasaina nifindra monina vonjimaika, hiala ny trano fonenany mantsy ny mponina teny, indrindra ireo fianakavian’ny miaramila ao anatin’ireo toby ireo sy ny manodidina azy. Voatery noravana ihany koa ny mpianatra tamin’ireo sekoly maro tamin’iny faritra iny noho izay mety hisehoan’ny “fanafihana” hataon’ny tafika mbola manoa ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT) ireo toby ireo. Tsiahivina fa ao amin’ny tobin’ny BANI Ivato no fantatra fa lasa toeram-pamaharan’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny foloalindahy maromaro nanambara fa “ nanangana komity miaramila ho fanavotampirenena” ary nilaza fa “rava ny andrim-panjakan’ny fitondrana tetezamita misy ankehitriny”, hatramin’ny alarobia lasa teo. Efa nampitandrina, ary nanambara fa “hampihatra ny sazy tandrify amin’izao endriky ny fandikan-dalana ataon’ireto manamboninahitra ireto, ary matoky ny firaisan- kinan’ny tafika” koa anefa ny praiministra Camille Vital, ary nilaza fa “handray andraikitra” mifanitsy amin’izany. Hatramin’izao ora anoratanay izao moa dia mbola tsy nahazoam-baovao ny mikasika izay mety ho fivoaran’io toe-draharaha eny Ivato io, fa araka ny re dia efa tonga teny “nifampiraharaha” ny hampitsaharana izany ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika malagasy, ny Jeneraly Ndriarijaona André saingy tsy nanao fanambarana momba ny fihaonana.
Nilanona ny teny Tsimbazaza Nangotraka izany ny toedraharaha eo anivon’ny foloalindahy satria toby iray anisan’ny lehibe sy stratéjika eto Antananarivo no isehoan’io toe-javatra misy ifandraisany amin’ny krizy politika mbola tsy nahitam-bahaolana efa ho roa taona io. Ny tetsy Tsimbazaza kosa io maraina io ihany, dia nisokatra ary nizotra araka ny tokony ho izy ny fivoriamben’ny kongoresin’ny tetezamita, araka ny vanin’andro efa voatondro. Tonga nanatrika ny fanokafana io fivoriana ion y praiministra sy ireo manam-pahefana ambony eo anivon’ny foloalindahy, ary ny filohan’ny CST, ary tsikaritra ho tsy manana ahiahy amin’ny zava-misy teny Ivato sy ny manodidina. Nametra-panontanina noho izany ny mpanara-baovao, raha toa ka “efa voafehy tokoa ny toe-draharaha eny amin’io toby etsy Ivato io, satria toa tsy niraika tamin’izany mihitsy ireo tompo’andraikitra ireoraha ny fahitana azy teny an-toerana. Iaraha-manaraka eo ihany anefa ny fivoaran’ity toe-draharaha roa mifanipaka miseho eto amin’ny firenena ity.