sam.
20
nov.
2010
T r a t r am- b e h i v a v y . Faritra iray tena manaitra ny mason’ny lehilahy. Ny andro mafana toy izao no tena fampirantiana izay faritra izay ho an’ny fahafinaretan’ny mason’ny olon-tiana. Ireto misy fomba vitsivitsy mety hanampy amin’izany. Ireo be tratra dia tsy misedra olana loatra mampiseho azy. Akanjo ambony somary manify, mihinjitra manaratena dia efa ampy hamoaka ny hatsarany. Tsy tokony ho kivy ihany koa anefa ireo kely tratra. Afaka aranty anaty akanjo ambony manify, tsy asiana tati-nono ny faritra dia efa mety hanaitaitra ny filan’ny olon-tiana sy hampiakatra ny filany. Harena sarobidy ao anatin’ny vatan’ny vehivavy ny nonony. Tokony hokolokoloina hatrany izy ahafahany mitazona ny fihenjanany. Tondrahana rano mangatsiaka kely indray mandeha isan’andro izy ohatra hahamafimafy azy. Anjaran’ny lehilahy kosa no migoka izay hakantony izay, ho fiandohan’ny fiarahana mahafinaritra eo amin’ny mpivady. Faritra tsy dia raharahian’ny lehilahy loatra any am-pandriana ny tratra na dia manaitra ny masony aza. Betsaka ny fatiantoka tsapany vokatr’izay tsy firaharahiana izay.